plt_tn/luk/04/03.md

20 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Raha zanak'Andriamanitra ianao
Ny devoly nanao fanamby taminy mba hanao fahagagana hanaporofoana fa Izy no "Zanak'Andriamanitra"
# io vato io
na ilay devoly nitazona ilay vato teny an-tanany na nanondro vato teo akaiky teo.
# Jesosy namaly azy
Ny fandavan'i Jesosy ny fanambin'ilay devoly dia voalaza mazava ao amin'ny valin-teniny. Mety hanampy ny filazana izany mazava tsara ho an'ny mpihainonao, toy ny ataon'ny Baiboly hafa hoe: "Jesosy namaly hoe: 'tsia, tsy hanao izany Aho"
# voasoratra hoe
Ilay teny nindramina dia avy ao amin'ny asa soratr'i Mosesy ao amin'ny Testamenta Taloha. DH: "Nosoratan'i Mosesy tao amin'ny Soratra Masina"
# Tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona
Ny teny hoe "mofo" dia maneho ny sakafo amin'ny ankapobeny. Jesosy dia namerina ny teny tao amin'ny Soratra Masina mba hilazana ny antony tsy namadihany ilay vato ho mofo. DH: "Ny olona dia tsy afaka hivelona amin'ny mofo fotsiny" na "tsy ny sakafo ihany no mampiaina ny olona" na "Andriamanitra miteny fa mbola misy zavatra lehibe nohon'ny sakafo"