plt_tn/luk/03/15.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# raha niandry ny vahoaka
"satria ny olona." Ireo olona nanatona an'i Jaona ihany no asehon'io.
# nanontany tao am-pony
Ity fomba fiteny ity dia midika hoe "nieritreritra mangina ny momba azy ireo"
# Jaona namaly tamin'ny fitenenana
Ny valin-tenin'i Jaona momban'ny olona lehibe iray izay ho avy dia milaza fa tsy Jaona no Kristy. Mety hanampy ny filazana mazava tsara izany ho an'ny mpihaino anao, toy ny ataon'ny Baiboly hafa hoe: "Tsia, tsy Izy aho"
# tsy mendrika na dia ny hamaha ireo fehin-kapany aza
Ny famahana fehin-kapa tamin'izany dia asan'ny andevo. Jaona dia nilaza fa ilay iray izay ho avy dia tena lehibe ka na Jaona aza tsy dia mendrika ny ho andevony.
# Hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo Izy
Ity sariteny ity dia mampitaha batisa ara-bakiteny izay mitondra olona iray any amin'ny fifandraisana amin'ny rano mankany amin'ny batisa ara-panahy izay mitondra azy ireo any amin'ny fifandraisana amin'ny Fanahy Masina sy amin'ny afo.
# afo
Eto ny teny hoe "afo" dia maneho ny 1) fitsaràna na 2) fanadiovana. Tsara kokoa ny memela izany ho "afo" ihany.