plt_tn/luk/02/06.md

28 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Ity dia milaza ny fahaterahan'i Jesosy sy ny fanambaran'ny anjely tamin'ny mpiandry ondry.
# Ary raha
Ity dia manamarika ny fiantombohan'ny tranga manaraka ao amin'ny tantara.
# raha mbola tany izy ireo
"raha tany Betlehema i Maria sy Josefa"
# tonga ny fotoana hiterahany ny zanany
"fotoana hiterahany ny zanany izany"
# nandrakotra lamban-jaza Azy
Ity dia fomba tsotra izay hiarovan'ny reny sy hiahiany ny zanany amin'izany kolontsina izany. DH: "nandrakotra bodofotsy mafana manodidina azy"
# nampandry Azy teo amin'ny fihinanam-bilona
Ity dia karazana tavy izay ametrahan'ny olona bozaka na sakafo hafa ho an'ny biby. Mety nadio izany ary mety nisy zavatra malemilemy sy maina teo amin'izany toy ny lafika ho an'ilay zaza. Ireo biby matetika dia notazomina teo akaikin'ny trano mba hiarovana azy ireo sy hanamora ny fanomezana sakafo azy ireo. Maria sy Josefa dia nipetraka tao amin'ny efitra izay nampiasaina ho an'ny biby.
# tsy nisy toerana ho azy ireo tao amin'ny hotely
"tsy nisy toerana hipetrahan'izy ireo tao amin'ny efitra fandraisam-bahiny." Izany dia satria mety maro ny olona nankany Betlehema mba hisoratra anarana. Lioka nanampy ity ho fanampim-panazavana.