plt_tn/job/23/01.md

12 lines
760 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Na dia androany aza dia mangidy ny fitarainako
Eto ny "na dia androany" dia manamafy fa tsy mampiova na inona na inona amin'ny zava-misy amin'ny Joba akory ny fandresen-dahatr'ireo namany. DH: "na teo aza reo voalazanao, dia mbola mangidy hatrany ny fitarainako"
# mangidy ny fitarainako
Ny fitarainany manohitra an'Andriamanitra tsy misy valiny dia resahin'i Joba toy ny hoe tsiro mangidy ao am-bavany. DH: "Ny fitarainako tsy misy valiny dia ratsy tahaka ny sakafo mangidy ao am-bavako"
# ny tanako dia mavesatra nohon'ny fitarainako
Ireo mety ho heviny dia 1) "zara raha mahatafakatra ny tanako aho nohon'ny fitarainako" na 2) "mbola mampijaly ahy ihany ny tanany na dia eo aza ny fitarainako", ny "tanana" eto dia manondro ny fahefan'Andriamanitra.