plt_tn/job/08/13.md

16 lines
810 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana aminny Ankapobeny :
Ity andininy ity dia manohy ny tenin'i Bildada. Ao amin'ny andininy 14-15, ny mpanoratra dia mampiasa fampitoviana, mampita hevitra iray amin'ny alalan'ny fanambarana roa samihafa mba hanamafisana ny fahapotehan'ireo izay tsy naorina ny fiainany tamin'ny fampianaran'ireo razambeny.
# Toy izany koa ny lalan'ireo rehetra izay manadino an'Andriamanitra
"mandeha an-dalana" dia fomba fiteny iraisana izay manondro ny fiainan'ny olona sy ny tari-dalany. Matetika io no manondro raha manaraka ny lalan'Andriamanitra na ny an'ny tenany.
# ny fahatokiany dia marefo toy ny tranon-kala
Eto i Bildada dia mapitaha ny fiainan'ireo tsy manana an'Andriamanitra amin'ny tranon-kala; ny hery kely indrindra dia ho foana.
# hihazona izany izy
"hiezaka ny hanohana izany izy"