plt_tn/job/03/06.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# hisambotra izany anie ny aizim-pito
Io aizim-pito io dia lazaina indray toy ny olona izay mitana sy mihazona ny alina. DH: "Ny aizim-pito anie hanafoana izany"
# aizim-pito
"aizina lalina" na aizina tanteraka"
# tsy hifaly anie izany
Ny teny hoe "izany" dia manondro ny andro nahaterahana na nanorontoroana an'i Joba ho toy ny olona izay tsy afa-mifaly. DH: "Hanjavona ao anaty tetiandro anie izany alina izany"
# tsy ho tonga amin'ny isan'ny volan anie izany
Izany alina izany dia lazaina ho toy ny olona izay afaka nandeha. DH: "tsy hisy hanisa anie izany"
# ho momba anie izany alina izany
Ny alina nahaterahan'i Joba dia lazaina ho toy ny vehivavy. DH: "Tsy hisy zaza anie ho teraka amin'izany andro izany"
# tsy hisy feom-pifaliana anie ho tonga ao amin'izany
Ny alin'ny andro nahaterahan'i Joba eto dia lazaina ho toy ny fotoana iza mbola azon'ny olona hifaliana. DH: "Tsy hisy hahare anie ny hiakam-pifaliana amin'ny andro hahaterahan'ny zazalahy"
# feom-pifaliana anie ho tonga ao amin'izany
Ny feo eto dia midika ho olona faly. DH: "Tsy hisy olona hifaly amin'izany intsony anie"