plt_tn/jer/23/09.md

32 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Nivadika niresaka an'i Jeremia fa tsy Yaveh ny mpitantara.
# Raha ny momban'ireo mpaminany, dia maratra ny foko, ary mangovitra ny taolako rehetra
Maratra ny fony ary mangovitra ireo taolan'ny mpaminany satria natahotra ny fitsarana vokan'ireo lainga sy faminaniana sandoka. DH: "matahotra mafy amin'izay zavatra hitranga aho noho ireo mpaminany sandoka"
# maratra ny foko
Ny fihetsem-pon'ilay mpaminany dia resahina toy ny hoe fony. DH: "tena malahelo aho"
# mangovitra ny taolako rehetra
Eto ny tahotra dia resahina toy ny hoe mampagovitra ny taolan'ny mpaminany. DH: "tena matahotra aho"
# Lasa toy ny olona mamo aho, toy ny olona izay resin'ny divainy
Eto ny fahalahelovana sy fatahorana dia resahina toy ny fijalian'ny olona mamo. DH: "toy ny lehilahy mamo aho; tsy voafehiko ny tenako"
# Fa ilay tany dia feno mpijangajanga
Io dia fanitarana nampiasaina mba ampisehoana ny ahavon'ny fanotana izay nisy tamin'ny fotoanan'i Jeremia.
# mpijangajanga
Io teny io dia azo raisina ara-bakiteny hoe maro tamin'ireo lehilahy tao amin'ilay firenena no nanao fijangajangana tamin'ny vadiny, ary azo raisina ihany koa ho fomba fiteny ara-Baiboly hoe niala tamin'i Yaveh mba ahafahana manompo ireo sampy.
# maina ny tany
Misy amin'ireo dikan-teny vaovao no mandika io fehezanteny Hebreo io ho "nisaona ny tany."