forked from WA-Catalog/plt_tn
40 lines
2.1 KiB
Markdown
40 lines
2.1 KiB
Markdown
|
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
|
||
|
|
||
|
Mananatra ireo mpino ireo i Jakoba noho ny amin'ny fiainan'izy ireo araka ny fanaon'izao tontolo izao sy ny tsy fananan'izy ireo fanetren--tena. Mamporisika azy ireo indray izy mba hitandrina ny amin'ny fomba fifampiresahan'izy ireo.
|
||
|
|
||
|
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
||
|
|
||
|
Eto amin'ny ampahan y iray ity, ny teny hoe "ianareo" dia manondro ireo mpino izay nanoratan'i Jakoba avokoa.
|
||
|
|
||
|
# Avy aiza no niavian'ireo ady ... fifandirana
|
||
|
|
||
|
Ny teny hoe "ady" sy "fifandirana" dia mitovitovy hevitra ihany. Ampiasain'i Jakoba ireo mba hanindriana fa miresaka momba izay karazana ady rehetra misy eo amin'ny olona izy.
|
||
|
|
||
|
# ady sy ireo fifandirana
|
||
|
|
||
|
Ireo fihestika ireo dia raisina toy ny hoe zavatra avy amina toerana samihafa.
|
||
|
|
||
|
# Moa va ireo tsy avy amin'ny fanirianareo izay miady
|
||
|
|
||
|
Mampiasa io fanontaniana io i Jakoba mba hananarana ireo mpamaky. Azo adika ho teny tsotra io. DH: "Satria manana fanirian-dratsy ianareo" na "satria maniry ny hanao zavatra ratsy ianareo"
|
||
|
|
||
|
# Moa va ireo tsy avy amin'ny fanirianareo izay miady amin'ny mpikambana eo anivonareo?
|
||
|
|
||
|
Raisin'i Jakoba toy ny hoe fahavalo izay mahatonga ady eo amin'ireo mpino ny faniriana. Amin'ny tena izy, mazava ho azy fa ireo olona manana ireo faniriana ireo no mifampiady. DH: "Maniry zava-dratsy ianareo, ary ny mifandratra no hiafaranareo"
|
||
|
|
||
|
# mpikambana eo anivonareo
|
||
|
|
||
|
Ireo mety ho dikany dia 1) misy ady eo amin'ireo mpino teo an-toerana, na 2) ny ady, izany hoe: fifandirana, dia ao anatin'ny mpino tsirairay.
|
||
|
|
||
|
# Mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy afaka ny ahazo
|
||
|
|
||
|
Ny andian-teny hoe "mamono ianareo" dia maneho ny faharatsian'ny toetran'ny olona mba hahazoana izay tian'izy ireo. Azo adika hoe: "Manao ireo karazana zava-drasty rehetra ianareo mba hahazoana izay tsy azonareo"
|
||
|
|
||
|
# Miady sy mifanditra ianareo
|
||
|
|
||
|
Ny teny hoe "miady" sy "mifanditra" dia mitovitovy hevitra ihany. Ampiasain'i Jakoba ireo mba hanindriana ny fiadiana eo amin'ny olona. DH: "Miady foana ianareo"
|
||
|
|
||
|
# ratsy fangataka
|
||
|
|
||
|
Ireo mety ho dikany dia 1) "Ny anton'ny fangatahanareo dia tsy mety" na "mangataka amin'ny toetra ratsy ianareo" na 2) "diso fangataka ianareo" na "mangataka zavatra ratsy ianareo"
|