xmw_mrk_text_ulb/14/12.txt

1 line
600 B
Plaintext

Tamin'ny andro voalohan'ny fkihinanagna ny môfo tsisy levira, kokafa nagnano sôrogno ny ondrin'ny Paska zareo, dia nivôlagna reo mpianany hoe: "Aiza no tianao homboanay hagnomoanagna hanigny, mbô hinanao ny sakafon'ny Paska?" Dia nangniraka ny roa tamin'ny reo mpianany Izy kay nivôlagna tamin-jareo hoe: "Mandiana akagny an-tanàgna, avakeo hoisy lalaha minday seho feeno rano hiaro aminareo. Magnaraha Azy. Lehy tragno hitsoforany, magnaraha azy dia ambarao ny tômpin'ny zany tragno zany hoe: "Aiza ny tragno fandraisagna vahiny ahavitako miara-mihinagna ny Paska amin'ny reo mpianatranaha?'"