tkg_mat_text_reg/13/03.txt

1 line
483 B
Plaintext

Avy teo Jesosy nizaka raha maro tamindreo tamign'alalanè fagnohara. Hoy Izy hoe: Igny, nisy mpamboly raiky nandeha nizotso hamafy voany. Raha izy namafy igny, da nisy voa sasany latsaky t'amoron-dala, ary tonga ireo voro tonga da nihina. Gne voa hafa ndray da latsaky tamigne tany be vato, izay tsy nahazoanigne nofon-tany tsara. Tsy nisy fisalasala tonga da nitsiry, satria tsy laly gne tany. Fa rehefa niboda gne masoandro, da maigne izy, satria tsy nisy vahatriny, ary da nalazo.