Mon Mar 16 2020 11:20:26 GMT+0300 (E. Africa Standard Time)

This commit is contained in:
tsDesktop 2020-03-16 11:20:26 +03:00
commit d5f41fa367
207 changed files with 422 additions and 2 deletions

1
17/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Erign'andro taty afara, Jesosy da nangala an'i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka ninday andreo niakatry tamè vohitry avo mba hitokany. \v 2 Da niova gn'endriky Jesosy, ka gne tarehiny namirapiratry mitovy amè masoandro, ary gne fitafiany lasa namiratry mitovy amè hazavà.

1
17/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Io ary, niseho tamindreo Mosesy sy Elia nikora tamin' i Jesosy. \v 4 Da nizàka Petera ka nagnano tamin'i Jesosy hoe : ''Zagnahariko, tsara raha midoboky etoa isika. Raha sitrakao, da hagnano fialofa telo ho antsika etoa iao - gne raiky anao, gne raiky an'i Mosesy, ary gne raiky ho an'i Elia.''

1
17/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Raha mbola nizàka avao izy, igny nisy rahona mazava nandrakotry andreo, ary nisy feo nizotso avy tao agnaty rahona nagnano hoe : '' Ity gne zanako malalako, izay sitrako tokôtry. Tenomy izy.'' \v 6 Rehefa naharè izà gne mpianatry, da lavo niondriky sady niala.\v 7 Ary Jesosy nagnato anazy, da nizàka anazy hoe : '' Mitsangàna, fa ka malia izà.\v 8 Ka rehefa nitrôtry indreo, da tsy nahita olo afa tsy i Jesosy raiky avao.

1
17/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Ary rehefa nijotso gne tendrombohitry indreo, da nandrara anazy i Jesosy hoe : '' Ka mizàka amin'olo gne raha hitanareo, mandrà-pitsanganan'gne zanak'olo amè maty. \v 10 Ary gne mpianatry nagnotany anazy hoe : '' Ino gn'ilazan'gne mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha?''

1
17/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Ka Jesosy namaly anazy hoe : " Elia da efa avy lahatany ka hampody gne zavatry rehetra. \v 12 Nefa zakaiko anareo: " Efa tonga Elia, nefa gne olo tsy nahafantatry anazy, fa nagnano izay sitraky gne fony taminazy evao. Da mitovy aminizà evakoa gne hampiaretany gne zanak'olo. \v 13 Da fantatry gne mpianatry fa Jaona Mpagnano Batisa gne nozakainy taminazy.

1
17/14.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 14 Ka rehefa avy tamè vahoaky indreo, nisy lehilahy raiky nagnato an'i Jesosy, da nandoaliky taminazy ka nagnano hoe : " \v 15 Zagnahariko, mamindrà fo amè zanako lahy, fa marary gne boloka izy ka mahantra tokôtry, fa matetiky izy gne lavo amè afo sy gne rano.'' \v 16 Ka ninday anazy tamè mpianatrao iao, fa kaiky tsy nahay nagnasitrany anazy indreo.

1
17/17.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 17 Ary Jesosy namaly ka nizàka hoe : " Ry taranaky tsy mino sady efa nivadiky, ovia avao iao vao hitoetra ao aminareo? Mandrà-pahovia gne handeferako aminareo? Indeso aty amiko izy." \v 18 Ka nizàka mafy anazy i Jesosy, da nijotso taminazy gne demonia, da sitrany ilay koboty tamin'io ora io.

1
17/19.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 19 Da nagnato an'i Jesosy mangingina gne mpianatry ka nagnotany anazy hoe : " Nahoa iahay gne tsy natafajotso anazy?"\v 20 Ka namaly Jesosy hoe : " Nohon'gne fahakelezan'gne finoanareo avao; fa zakaiko aminareo marina tokôtry : " Raha manampinoa mitovy amè voan-tsinampy raiky aza anareo ka hizàka amin'io tendrombohitry io hoe : " Mifindrà am'regny; " da hifindra izy, ary tsy misy raha tsy hainareo hamboary esana. \v 21 " Fa ity karazana demonia ity da tsy mijotso raha tsy miaraky amè vavaky sy fifadian-kanina."

1
17/22.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 22 Ary rehefa nidoboky tany Galilia izy, Jesosy nizàka tamè mpianany hoe : " Gne zanak'olo efa hatolotry ho eo an-tàgnan'gne olo,\v 23 ka hovonoy, nefa amin'gne andro fahatelo da hitsangany indraiky izy.'' Ary da nalahelo indreo.

1
17/24.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 24 Ary rehefa tonga tany Kaperinaomy indreo, da nagnato an'i Petera ireo lehilahy izay nanangony gne hetra atsasaky gne sekely ary nizàka hoe : " Tsy mandoa gne hetra atsasaky gne sekely me gne mpampianatrareo?" \v 25 Hoy izy hoe: "Eka." Fa rehefa niditry t'andragno Petera, da Jesosy aloha gne niresaky taminy ka nagnano hoe: " Ino gne eritreritrao, ry Simona? Ireo mpanjaka eto an-tany,avy amin'ia gne andraisandreo hetra na hetran'olo? Avy amindreo vahoakany sa avy amindreo vahiny?"

1
17/26.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 26 Ka namaly Petera hoe: " Avy amindreo vahiny," Da hoy Jesosy taminy hoe: "Da afaky amè fandoava izà ireo vahoaky. \v 27 Fa mba tsy hampanotantsika gne mpamory hetra, da mandehana any amè ranomasy, nagnipaza fitana amignao, ary alay gne trondro izay azo voalohany. Rehefa voasokatrao gne vavany, da hahita sekely anao. Alaivo izà ary omeo ireo mpamory hetra ho Anah sy ho anao."

1
18/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Tamin'izà andro izà da nagnato an'i Jesosy gne mpianany ka nizàka hoe: " Ia moa gne zakabe indrindra ao amè fanjakan'gne lanitry?" \v 2 Ary Jesosy nangaiky zaza madiniky raiky agnato anazy, da nametraky anazy teo antegnategnany, \v 3 ka nagnano hoe: " Zakaiko aminareo marina tokôtry : " Raha tsy miova anareo ka ho tonga mitovy amè zaza madiniky, da tsy hiditry amè fanjakan'gne lanitry mihitsy anareo.

1
18/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Noho izà, na ia na ia hanolotegna mitovy amin'ity marao ity, da izy gne ho zakabe indrindra amè fanjakan'gne lanitry. \v 5 Ary na ia na ia handray koboty raiky am'gn'agnarako, da mandray anah. \v 6 Fa na ia na ia gne hanafintohiny na da raiky aza amin'ireny madiniky mino anah ireny, da tsara lavitry ho anazy raha agnatogna vato zakabe fikosoham-bary gne vozony, ka alentiky any amè ranomasy laly izy.

1
18/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Loza ho an'izao tontolo izao nohon'gne fotoan'gne fahatafintohinana! Fa tsy maintsy ho avy gne fahatafintohinana, nefa lozan'izay olo mahavy gne fahatafintohinana. \v 8 Ka raha gne tagnanao na gne tombonao manafintohina anao, tapay izy ka ario ho afaky aminao; fa tsara aminao gne hiditry kilemainy na mitongaitry any amè fiaigna mandrakizay nohon'gne mana tagna roy sy tomboky roy, nefa haria any amè afo mahadigny mandrakizay.

1
18/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Ary raha gne masonao raiky gne manafintohina anao, alay iala agny izy, ka ario ho afaky aminao; fa tsara ho anao gne hiditry toka-maso amè fiaigna mandrakizay nohon'gne mana maso roy, nefa haria any amè parasolo mirehitra afo mandrakizay.

1
18/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Mitandrema, fa sao hagnano tsinotsino ndrè da gne raiky amin'ireny madigniky ireny anareo; fa zakaiko aminareo: " Gn'Anjely an-danitry agny mahita fehizay gne tavan'gne Raiko izay agny an-danitry.\v 11 "Fa avy gne zanak'olo hamonjy gne very."

1
18/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Akôry gn'evitrareo? Raha misy olo manà ondry zato, ka negnagny amè lalan-diso gne raiky, ka hamela gne sivy amby sivi-folo eny an-tendrombohitry izy, ka hitadia gne raiky nagnaraky gne lalan-diso? \v 13 Ary raha tàhigne Zagnahary hitany izy, da ambarako aminareo marina tokôtry fa mahafaly azy igny nohon'gne sivy amby sivifolo izay tsy nagnaraky gne lalan-diso. \v 14 Ary mitovy amizà, da tsy sitraky gne Rainareo izay agny an-danitry, raha ho very na da raiky avao aza amin'ireny madiniky ireny.

1
18/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 Ary raha magnota aminao gne rahalahinao, da magnatogna anazy, ka rehefa mitokagny anareo roa lahy, da ambaray anazy gne fahadisoany. Ka raha mitegno anao izy, da efa azonao gne rahalahinao izay.\v 16 Fa raha tsy mitegno anao kosa izy, da indeso miaraky aminao gne olo raiky na roy, mba ho mafy fototry avakoa gne teny rehetra amè zakan'gne vavolombelo roy na telo.

1
18/17.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 17 Fa raha tsy mitegno ireo izy, da zakay amè fengona; ary raha tsy mety mitegno gne fengona koa izy, da aoky hataonao mitovy amè jentilisa sy mpamory hetra izy.

1
18/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Zakaiko aminareo marina tokôtry, fa na ino na ino fehezinareo ety ambon'gne tany da ho fehezy any an-danitry; ary na ino na ino vavaranareo ety ambon'gne tany da hovahà any an-danitry. \v 19 Ary zakaiko aminareo koa: ''Raha misy roy aminareo mifanaiky ety ambon'gne tany na amin'ino na amin'ino ka hangataky izà, da ho azony avy amè Raiko izay any an-danitry izà. \v 20 Fa na aia na aia iangonan'gne roy na telo am'gn'agnarako, da ao ategnategnany iao.

1
18/21.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 21 Da nagnato Petera ka nagnano hoe: "Zagnahariko, impiry moa gne hanotan'gne rahalahiko aminà, ka havelako izy? Mahatratry hatramin'gne fito? \v 22 Fa hoy Jesosy taminazy: " Tsy ambarako aminao hoe: " Hatramin'gne im-pito, fa hatramin'gne im-pito amby fitopolo.

1
18/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 Ka amin'izà gne fanjakan-lanitry da mitovy amè mpanjaka raiky, izay te-hidiniky amè mpagnompony mahakasiky gne volany. \v 24 Ary raha vao midiniky izy, da nisy raiky nindesy taminazy, izay nitrosa talenta iray aly. \v 25 Ary satria tsy nanan-kanefà izy, da nasain'gne tompony hamidy izy sy gne vady aman-janany hatramin'gne fanagnany rehetra handoava gne trosa.

1
18/26.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 26 Da niankohoky teo anatrehany ilay mpanompo ka nagnano hoe: " Tompoko, omeo andro iao, fa haloako gne anao rehetra. \v 27 Ary gne tompon'izà mpanompo izà da nangoraky anazy ka namela anazy sady namoy gne trosa taminy.

1
18/28.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 28 Nefa vao nijotso ity mpanompo ity, da nahita mpanompo namany raiky, izay nitrosa dinaria zato taminy, da nosamboriny izy ka nozakainy mafy hoe: " Aloavy gne trosako aminao." \v 29 Fa nitanondriky ilay mpanompo namany ka nifona taminy nagnano hoe: " Omeo andro iao, fa haloako gn'anao."

1
18/30.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 30 Nefa tsy nagneky izy fa lasa nampiditry anazy t'andragnomizy mandrapagnefany gne trosany. \v 31 Ary rehefa hitanareo mpanompo namany izay efa tratry, da nalahelo mafy izy ka nandeha nagnambara tsara tamè tompony izay rehetra nagnamboara an'izà.

1
18/32.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 32 Da nampangalan'gne tompony ralehilahy ka nozakainy hoe: '' Ry mpanompo ratsy fagnà, efa nafoiko gne trosako rehetra taminao, satria nifona tamiko anao; \v 33 moa tsy tokony mba ho namindra fo tamè mpanompo namanao koa anao mitovy amè namindrako fo taminao?

1
18/34.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 34 Da vignitry gne tompony ka nanolotry anazy ho amè mpampijaly mandra-pagnefany gne trosa rehetra. \v 35 Ary mitovy amin'izà koa gne hanin'gne Raiko izay any an-danitry aminareo, raha tsy samy mamela gne rahalahinareo amè fonareo agnaby anareo.

1
19/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Ary rehefa vitan'i Jesosy izà zaka izà, da niala tany Galilia izy ka nagnaraky gne lalà tegny an-danitry Jordana, da tonga tany amè sisin'Jodia. \v 2 Ary nisy vahoaky maro nagnaraky anazy, da nagnasitrany anazy teo izy.

1
19/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Ary nisy Fariseo nagnato anazy, da nangala fagnà anazy hoe;" Mahazo misaotry gne vadiny gne lehilahy noho izay rehetra indesiny iampangany anazy na ino na ino? \v 4 Ary izy namaly ka nizàka hoe: " Tsy mbola novakinareo gne teny, fa gne nahary anazy tamè voalohany da nahary anazy ho lahy sy viavy, ka nagnano hoe:

1
19/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Ary noho izà gne lehilahy da handao gne rainy sy gne Endriny ka hikamba amè vadiny; ary da ho nofitry raiky indreo roy. \v 6 Ka tsy roy esana izy, fa nofo raiky avao. Koa amin'izà, izay nampiraisin'Andriamanitry da aoky tsy ho hampisarahin'olo.

1
19/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Hoy indreo taminy: " Nahoa ary Mosesy gne nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotry anazy?" \v 8 Ary hoy Jesosy taminy: " Gne hamafin'gne fonareo gne namelan'i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamè voalohany da tsy mba mitovy amin'izà. \v 9 Fa zakaiko aminareo : " Na ia na ia gne misaotry gne vadiny, afa-tsy nohon'gne fijangajangà avao, ka mampiakatry gne hafa, da mijangajangà; ary gne mampakatry gne voasaotry da mijangajanga koa."

1
19/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Da hoy gne mpianatry taminy: " Raha izà gne toetry gne lehilahy amè vadiny, da aleo tsy manambady." \v 11 Fa hoy izy taminy: " Tsy gne olo agnaby gne mahay mandray izà zakà izà, fa izay nome avao." \v 12 Fa misy ionoka, izay teraky ionoka latagn'ati-troky, ary misy ionoka, izay nanin'olo, ary misy ionoka, izay nagnano gne tegnany ionoka nohon'gne fanjakan'gne lanitry. Aoky handray izà gne mahay mandray.

1
19/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Ary tamin'izà da nisy zaza madiniky nindesy teo amin'i Jesosy mba hametrahany tagnà sy hivavahany ho anazy; fa gne mpianany nizàka mafy. \v 14 Nefa Jesosy nagnano hoe : " Apetray gne zaza, ary ka rarà agnato anah; fa mendrika anazy gne fanjakan'gne lanitry." \v 15 Ary rehefa nametraky gne tagnany taminy izy, da niala tamigneo.

1
19/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 Ary, igny mpianatry raiky nagnato anazy ka nagnano hoe: " Mpampianatry ô, ino gne tokony ho aniko hazahoako gne fiainagny mandrakizay?" \v 17 Fa hoy Jesosy taminy: " Nahoa iao gne hanontanianao gne mahakasiky anizà?" Raiky gne tsara, fa raha te-hiditry amè fiainagny mandrakizay anao, tendremo tsara gne didy.

1
19/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Hoy ralehilahy taminy: " Ino agnaby me?" Da hoy Jesosy: " Gne hoe: " Ka mamono olo, ka mijangajanga, ka mangalatry, ka mety ho vavolombelo gne mpavandy, \v 19 magnajà gne Rainao sy gne Reninao, ary tiavo gne namanao mitovy amè fitiavanao gne tegnanao."

1
19/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 Hoy ilay marao lahy taminy: " Izà rehetra izà efa voatandriko agnaby. Fa ino avao gne mbola tsy mahatanteraky anah?" \v 21 Da hoy Jesosy taminy: " Raha tianao ho tanteraky, mandehana, amidio gne fanagnanao, ka omeo gne malahelo, da hanagny rakitry any an-danitry anao, ary avia agnaraky anah." \v 22 Fa raha vao naharè izà zaka izà ilay marao lahy, da niala tamin'alahelo izy, satria nagnandrà marobe.

1
19/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 Da hoy Jesosy tamè mpianany: " Zakaiko aminareo marina tokôtry fa sarotry gne hidiran'gne manan-karena amè fanjakan-lanitry." \v 24 Ary hoy iao aminareo indraiky: " Ho moramora kokoa gne hidiran'gne rameva amè vodi-fanjaitry nohon'gne hidiran'gne manan-karena amè fanjakan'Andriamanitry."

1
19/25.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 25 Ary raha vao naharè izà gne mpianatry, da gaga tanteraky ka nagnano hoe:" Ia koa izao gne azo hovonjè?" \v 26 Ary Jesosy nagnety anazy ka nagnano taminy hoe: " Tsy hain'olo izà, fa Andriamanitry gne mahay gne zavatry rehetra." \v 27 Da namaly Petera ka nagnano hoe: " Iahay efa nahafoy gne zavatry rehetra ka nagnaraky anao. Ka ino ary gne ho azonay?"

1
19/28.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 28 Fa hoy Jesosy taminy: " Zakaiko aminareo marina tokôtry, fa rehefa amè vanim-potoa vaovao rehefa midoboky eo amè seza fiandrianan'gne voninahiny gne Zanak'olo, da hidoboky eo amè seza fiandrianana roa ambin'ny folo evakoa anareo izay nagnaraky anah, hitsara ireo foko roa ambin'ny folon'Israely.

1
19/29.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 29 Ary gne rehetra efa nahafoy tragno, rahalahy, agnakavy, ray, reny, na tany, amin'gn'agnarako, da handray zato heny ka handova gne fiainagny mandrakizay. \v 30 Nefa maro gne voalohany gne ho lasa farany, ary izay farany gne ho voalohany.

1
20/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Fa gne fanjakan-lanitry da mitovy amè lehilahy tompon-tragno, izay nizotso marandray ka hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony. \v 2 Ary rehefa nifanaiky gne mpiasa, da nalefany negnagny an-tanim-boalobony indreo.

1
20/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Ary nizotso tamè lera fahatelo izy, da nahita gne sasany nidoboky fotsiny. \v 4 Ka hoy izy taminy: " Alao koa anareo handeha amè tanim-boaloboky, fa izay an-keviny marina da homeko anareo." Ka nandeha niasa indreo.

1
20/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Ary nijoso tamè lera fahenina sy fahasivy indraiky koa izy ka nagnano mitovy amin'izà koa. \v 6 Ary rehefa tokotry ho tamè lera fahiraika ambin'ny folo da nijoso izy ka nahita gne sasany nidoboky teo, da hoy izy taminy: " Nahoa anareo gne midoboky fotsiny etoa tontolon'andro?"\v 7 Hoy izy taminy: " Satria tsy nisy olo nagnakarama anay." Da hoy ralehilahy taminy: " Alao koa anareo megnagny amè tanim-boaloboky."

1
20/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Ary rehefa ariva gn'andro, da hoy gne tompon'gne tanim-boaloboky tamè mpitandrina gne raharahany: " Angio gne mpiasa, ka aloavy gne karamany, atomboy amè tafara ka megnagny amè voalohany. \v 9 Ary rehefa avy indreo nokaramà tamè lera fahiraika ambin'ny folo, da nahazo denaria misesy agnaby indreo. \v 10 Fa rehefa tonga indreo voalohany, da nagnategna hahazo mihôtry indreo, kaiky samy denaria misesy avakoa gne azondreo.

1
20/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Rehefa nahazo izà izy, da nimenimeny tamè tompon-tragno ka nagnano hoe: "\v 12 Indreo farany ireo da niasa lera raiky avao, kanefa naninao mitovy aminay, izay niaritry gn'avalà sy gne hain'andro."

1
20/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Fa izy namaly ka nagnano tamè raiky hoe: " Ry sakaiza, tsy mba magnano izay tsy marina aminao iao. Tsy efa denaria gne nifagneketsika?'' \v 14 Alay gnanao, da mandehana, fa gne farany da tiako omè mitovy amin'gnanao koa.

1
20/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 Tsy mahazo magnano gne tiako amin'gn'anah me iao? Ratsy me gne masonao, satria tsara iao? \v 16 Da mitovy amin'izà, gne farany ho voalohany, ary gne voalohany ho farany.

1
20/17.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 17 Ary Jesosy, raha niakatry ho an'i Jerosalema, da nangala malomaloky gne mpianatry roa ambin'ny folo lahy ka nizàka tamin'azy t'andala hoe: \v 18 " Miakatry ho egny Jerosalema isika io, ary gne zanak'olo da atolotry ho amè lehibe gne mpisorona sy gne mpanora-dalàna, da ho sazy ho faty izy. \v 19 Ka atolotry amè Jentilisa mba haniny fiomezà sy ho vangoiny fiky sy ahisiny amè hazo fijalia. Fa amè andro fahatelo da hatsanga indraiky izy.

1
20/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 Ary tam'izà da nagnato an'i Jesosy i endrin'gne zanak'i Zebedio izy amè zanany lehilahy, da nitanondriky sady nangataky raha maro. \v 21 Ary hoy izy taminazy hoe: " Ino gne tianao?" Da hoy ra-viavy taminazy: " Manomeza baiko mba hidoboan'itoa zanako roalahy itoa, gne raiky ho amè ankavagnanao, ary gne raiky ho amè ankavianao, da ho amè fanjakanao.

1
20/22.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 22 Fa i Jesosy namaly da nizàka hoe: " Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo gne mindragno amè kapôky izay efa hindranomako?" Hoy izy roalahy taminazy: " Hainay kà." \v 23 Hoy koa Izy taminazy: " Indragno amè kapôkiko dato anareo; fa gne hipetraky amè tagnako ankavagna sy amè tagnako ankavia da tsy iao gne hanome an'izà fa izay nagnamboaran'iabako anizà gne omè anizà." \v 24 Ary raha naharè an'izà indreo folo lahy, da vignitry tamè nan'izy mirahalahy.

1
20/25.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 25 Fa i Jesosy nangaiky anazy da nizàka hoe: " Fantatrareo fa gne mpanjaka gne Jentilisa da magnandevo anazy dato, ary gne lehibeny da mpanapaky anazy fatratry." \v 26 Fa tsy mitovy amin'izà anareo, fa izay te-ho zakabe aminareo da ho mpagnompo anareo. \v 27 Ary izay te-ho akaboa indrindra aminareo da ho mpagnomponareo. \v 28 Fa mitovy amin'izà, gne zanak'olo tsy tonga mba ho tompoina, fa mba hanompo ka hanolotry gn'ainy ho avotry hisolo gne maro.

1
20/29.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 29 Ary raha niala tao Jeriko izy, da nisy vahoaky betsaky nagnaraky an'i Jesosy. \v 30 Ary igny, nisy jamba roa lahy nidoboky teo amoron-dalà, ary rehefa reny fa i Jesosy gne mandalo, da nangaiky izy ka nagnano hoe: " Mamindrà fo aminay, ry Tompo, zanak'i Davida ô! \v 31 Ary gne vahoaky nizàka mafy anazy mba hangina, fa vao nagnato izy ka nagnano hoe: " Mamindrà fo aminay, ry Tompo, zanak'i Davida ô!

1
20/32.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 32 Ary Jesosy nijano, da nangaiky anazy ka nagnano hoe: " Ino gne tianareo aniko aminareo?'' \v 33 Hoy izy taminy: " Zagnahariko ô, gne mba hapagnitenao gne masonay. \v 34 Ary Jesosy da firaigny anazy ka nanendry gne masony; ary nahiratry niaraky tamin'izà izy, da nagnaraky an'i Jesosy.

1
21/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Raha nagnato an'i Jerosalema Jesosy sy gne mpianany ka negnao Betifaga, any an-tendrombohitr'i Oliva, da nandefa mpianatry roy Jesosy, ka nagnano hoe: " \v 2 Mandehana anareo aminio vohitry tandrify anareo io, ary miaraky amin'izà da hahita boriky mifatotry sy gne zanany eo aminy anareo". Vavaro izy, da indeso megnaty amiko. \v 3 Ary raha misy mizàka anareo, da zakay hoe: " Misy raharaha ilan'i Tompo anazy, ary da havelany hindeshy miaraky amin'izay izay."

1
21/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Ary nitranga izà mba hahatateraky izay nambara tamè alalan'gne mpaminany. Hoy Izy hoe: " \v 5 Izakay gne zanaka vavin'i Ziona hoe: ' Igny gne Mpanjakanao magnato anao, Manetry tegna ary mitikitry boriky-zana-boriky lahy.'''

1
21/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Ary da nandeha gne mpianatry ka nagnano arak'izay nandidian'i Jesosy anazy. \v 7 Da nindeshiny gne boriky sy gne zanany ary naniny tambonin'gne lambany, ary Jesosy da nitikitry tamboninazy. \v 8 Ary gn'ankamaroan'gne vahoaky da namelatry gne lambany tandàla, ary gne sasany nagnapaky piripiky, da natapiny t'andàla tegny koa izà.

1
21/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Ary gne vahoaky izay nialoha Anazy sy izay nagnaraky da nangaiky hoe: " Hosana ho an'gne Zanak'i Davida! Isaorà anie Izay avy amè agnaran'i Jehovah! Hosana any amè avo indrindra!'' \v 10 Ary raha efa tafiditry tany Jerosalema Izy, da nitabataba gne tanà rehetra ka nagnano hoe: " Ia me izà?" \v 11 Ary gne vahoaky nizàka hoe: " Iao gne Jesosy mpaminany izay avy any Nazareta any Galilia.

1
21/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Ary Jesosy niditry teo an-kianjan'gne tempolin'Andriamanitry, da nandrôky izay rehetra nivarotry sy nivanga teo an-kianjan'gne tempoly ka nandavo gne latabatry gne mpanakalo vola sy gne fidoboan'gne mpivarotry gne voromamanga. \v 13 Da hoy izy taminy: " Efa voasoratry hoe: Gne tragnoko hanì tragno fivavahana. Fa anareo kosa magnano azy ho zohy fieren'gne Jiolahy. \v 14 Ary nisy jamba sy mitongaitry nagnato Anazy teo an-kianjan'gne tempoly, da nahasitrany anazy izy.

1
21/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 Fa nohon'gne hitan'gne lehibe gne mpisorona sy gne mpanora-dalàna gne zavatry mahagaga izay naniny sy gne marao madiniky eo an-kianjan'gne tempoly ka nagnano hoe: " Hosana ho anin'gne zanak'i Davida!" da vignitry indreo. \v 16 Ka nagnano taminy hoe: " Renao gne zakaindreo?" Da hoy Jesosy taminy: " Eka, tsy mbola voavakinareo me gne teny magnano hoe: " Avy amè vavan'gne koboty sy gne zaza minono gne nagnamboaranao fideragny?'' \v 17 Da nandao anazy Izy ka niala tao an-tanà nandeha avy Betania, ary da nidoboky tao manditry gne ariva Izy.

1
21/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Ary rehefa hipody mandraigny handeha an-tanà Izy, da mosare. \v 19 Ary nahita hazo aviavy raiky tamoron-dalà Izy, da nagnato anazy, kaiky tsy nahita na ino na ino teo aminy, afa tsy raviny evao; da hoy Izy taminy: " Ka misy voa avy aminao esana mandrakizay." Da maigny tselatsela ilay hazo aviavy.

1
21/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 Ary rehefa hitan'gne mpianatry izà, da gaga indreo ka nagnano hoe: " Akongaia lôtry gne da tonga da nahamaigny tselatsela io aviavy io?" \v 21 Ary Jesosy namaly ka nagnano taminy hoe: " Zakaiko aminareo marina tokôtry, raha manam-pinoa anareo ka tsy mihagnahagna, da tsy izao nanì tamin'gne aviavy izao avao gne ho vitanareo, fa raha hizàka amin'ity tendrombohitry ity aza anareo ka hagnano hoe: " Mifindrà anao, ka milavoa any an-dranomasy, da ho tonga izà." \v 22 Ary na ino na ino gne angatahinareo amè fivavahà atao amè finoà da ho azonareo.

1
21/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 Ary rehefa tafiditry teo an-kianjan'gne tempoly Jesosy ka nampianatry, da nagnato anazy gne lehiben'gne mpisorona sy gne lonaky ka nagnano hoe: " Fahefà laha taia gne agnamboaranao anizao? Ary ia gne nagnomè anao anizao fahefà izao?" \v 24 Ary Jesosy namaly ka nagnano taminy hoe: " Iao kosa hagnotany anareo zavatry raiky aloha, ary raha hovalianareo izà, Iao kosa da hagnambara aminareo izay fahefà agnamboarako izà."

1
21/25.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 25 Gne batisan'i Jaona, avy taia mè izà? Avy t'andanitry, sa avy tamè olo? Ary indreo niara-nandiniky ka nagnano hoe: " Ka nahoa ary gne tsy nino anazy anareo? \v 26 Ary raha ambarantsika hoe: Avy tamè olo, da malia gne vahoaky isika, satria anindreo agnaby ho mpaminany Jaona. \v 27 Da namaly an'i Jesosy izy ka nagnano hoe : " Tsy fantatrinay." Da hoy Jesosy taminy: " Iao kosa tsy nizàka aminareo izay fahefà agnamboarako izà.

1
21/28.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 28 Fa akongaia kosa gne hevitrao? Nisy zalà roy lahy iray nana zanaky lahy roy. Nandeha negnagny amin'ilay voalohany izy ary nagnano hoe: " Anaky, mandehanà miasa any amè tanim-boaloboky androany." \v 29 Fa namaly izy ka nagnano hoe: " Tsy handeha iao". Nefa rehefa afaky izà, da nanegny da nandeha avao. \v 30 Avy eo da nagnato amin'ilay faharoy izy ary nizàka mitovy aminizà koa. Namaly izy ka nizàka hoe: " Ho any iao, tompoko," nefa tsy negnagny izy.

1
21/31.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 31 Ia tamin'ireo zanany roy ireo gne nagnano gne sitrapon'gne rainy? Ary hoy indreo hoe: " Ilay voalohany." Jesosy nizàka andreo hoe: " Zakaiko marina aminareo, ireo mpamory hetra sy ireo mpivaro-tegna da hiditry gne fanjakan'Andriamanitry alohanareo. \v 32 Fa Jaona nagnano anareo tamè fahamarinà, fa tsy nitegno anazy anareo. Fa ireo mpamory hetra sy mpivaro-tegna nitegno anazy. Fa anareo, na da nahita izà aza, da tsy nibebaky sy tsy nitegno anazy.

1
21/33.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 33 Tenomy ity fagnohara raiky hafa itiky. Nisy lehilahy raiky, tompona tany. Nambotry tanim-boaloboky izy, no valahany izà, nandavahany famiazana tao agnatiny, nananganany tilikambo, ary nampamondrony andreo mpamboly voaloboky. Avy teo da negnagny amè tanà hafa izy. \v 34 Rehefa marigny gne taom-pamokarana, da nagniraky gne sasany tamin'ireo mpagnompo izy hegnagny amin'ireo mpamboly voaloboky hangala gne vokatrany.

1
21/35.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 35 Fa nosamborin'ireo mpamboly voaloboky ireo mpagnompony, novangony fiky gne raiky, novonoiny gne raiky, da mbola notorahany vato gne hafa. \v 36 Ary mbola, nandefa mpanompony hafa indraiky ilay tompon-tany, maro nohon'gne tamè voalohany, fa ninindreo mitovy aminizà evakoa. \v 37 Taorian'izà, da nagniraky gne zanany lahitokany tany amindreo gne tompon-tany, nizaka hoe: " Hagnaza gne zanako indreo."

1
21/38.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 38 Fa rehefa nahita ilay zanaky lehilahy ireo mpamboly voaloboky, da nikorà indreo hoe: " Itiky gne mpandova, Aska, ho vonointsika izy ary ho alaintsika gne lovany.'' \v 39 Noho izà da nosamborindreo izy, natsipy tao agnatigne tanim-boaloboky ary novonoigny.

1
21/40.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 40 Ary rehefa avy gne tompon'gne tanim-boaloboky, ino gne ho ataony amindreo mpamboly voaloboky?" \v 41 Hoy indreo taminy hoe: " Ho ravany amin'izay fomba mafy indrindra ireo olon-doza, ary avy eo hampamondrony amin'ireo mpamboly voaloboky hafa gne tanim-boaloboky, olo hanome anazy gne hajara-voligny amè fotoam-pamokarà."

1
21/42.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 42 Jesosy nizàka tamindreo hoe: " Tsy mbola namaky gne Soratra Masina mihitsy anareo hoe: " Gne vato nolavin'gne mpanorin-tragno gne natao vato fehizoro. Avy tamè Tompo izà, ary mahagaga eo imasontsika"?

1
21/43.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 43 Noho izà zakaiko aminareo, hesory aminareo gne fanjakan'Andriamanitry ary homè gne firenegny izay mamokatry gne voany. \v 44 Na ia na ia ho lavon'io vato io da ho rotorotiky. Fa gne hianjerany kosa da ho vilavila."

1
21/45.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 45 Rehefa naharè ireo fanoharany ireo gne lehiben'gne mpisorona sy ireo Fariseo, da azondreo ireo fa mahakasiky andreo gne noresahany. \v 46 Nikasa gne hisambotry Anazy, nefa natahotry gne vahoaky indreo, satria nanin'olo ho mpaminagny Izy.

1
22/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Ary Jesosy namaly, danizàka fagnohara taminy indraiky ka nagnano hoe: "\v 2 Gne fanjakan'gne lanitry da mitovy amè mpanjaka, izay nagnano fagnashà fampakaram-bady ho an'gne zananilahy." \v 3 Ary izy nagniraky gne mpanompony hangaiky gn'efa nasainy mba hamojy amèfampakaram-bady fa tsy nety ho avy indreo.

1
22/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Da nagniraky mpanompo hafa koa izy ka nagnano hoe: " Zakay amin'gne efa voahasha hoe:' mandehana, fa efa voavôtry gne nahandroko. Efa voavono gne ombiko sy gne zanak'omby nafahiko, ka efa vonogny agnaby gne zava-drehetra. Mevia ao amè lanonam-pampakaram-bady."'

1
22/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Saingy tsy niraharaha indreo ary lasa nandeha, gne raiky namojy gne toeram-piompiny, gne hafa tamè raharaham-barony. \v 6 Gne sasany da nisambotry gne mpanompon'gne mpanjaka, nangala baraka andreo, ary namono andreo. \v 7 Vignitry gne mpanjaka ka nagniraky ireo miaramilany, ary namono gne mpamono olo indreo, ary nandoro gne tanàny.

1
22/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Avy teo da nizàka tamin'ireo mpanompony izy hoe: ' Efa vonogny gne fampakaram-bady, fa gne olo nashay gne tsy mendriky. \v 9 Noho izà mandehana egny amè sampanan-dalambe ary manasà olo maro araka gne fahitanareo gne ao amè lanonam-mpampakaram-bady.' \v 10 Nandeha nijotso tany amè lalan-dehibe ireo mpanompo ary nagnambara gne olo rehetra izay hitandreo, na gne tsara na gne ratsy. Noho izà da feno vahiny ilay efi-tragno zakabe nisy gne fampakaram-bady.

1
22/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Fa rehefa niditry gne mpanjaka mba hagnety gne vahiny, da nahita lehilahy tsy nitafy akanjo finday amè fampakaram-bady izy. \v 12 Nizàka taminazy gne mpanjaka hoe: ' Ry sakaiza, Akongaia gne nidiranao tatoa tsy miaraky amè fitafy finday amè fampakaram-bady?' Fa tsy nahazàka ilay lehilahy.

1
22/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Avy teo nizàka tamindreo mpanompony gne mpanjaka hoe: " Fehezo gne tagna sy gne tombok'ity lehilahy ity, ary atsipazo any amè mizy any ivelany izy, any gne misy fitomania sy fikotroha-nify.' \v 14 Fa olo maro gne nangia, nefa vitsy gne ho voafidy.

1
22/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 Avy teo da nandeha gne Fariseo ary nagnomany gne fomba mety hamandria an'i Jesosy amè raha nozakainy. \v 16 Avy teo da nirahandreo hegnagny Aminy ireo mpianatrindreo, nindray tamin'ireo Herodiana. Nizàka tamin'i Jesosy indreo hoe: " Ry mpampianatry, fantatrinay fa marina anao, ary mpampianatry gne lalan'Andriamanitry amè marina. Tsy miraharaha gne hevitry gne hafa anao, ary tsy miangatry.\v 17 Noho izà ambaray aminay, ino gne hevitrao? Ara-dalàgna me gne fandohavan-ketra any amin'i Kaisara sa tsia?"

1
22/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Nefa fantatr'i Jesosy gne faharatsiandreo ka nizàka hoe: " Naoa gne mitsapa Anah anareo, ry mpihatsaravelatsihy? \v 19 Ashehoy Anah gne farantsa fandoa amè hetra." Avy teo ninday denaria teo aminy indreo.

1
22/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 Hoy Jesosy tamindreo hoe: " An'ia ity sary sy agnara itiky? \v 21 Nizàka taminy indreo hoe: " An'i Kaisara." Avy eo Jesosy nizàka andreo hoe: " Omeo an'i Kaisara gne an'i Kaisara, ary an'Andrimanitry gnan'Andriamanitry." \v 22 Rehefa naharè izà indreo , da gaga. Ary niala teo Aminy indreo ka nandeha.

1
22/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 Tamin'izà andro izà evakoa gne Sadoseo sasany, indreo izay nagnambara fa tsy misy fitsanganagny gn'amè maty, nagnato Anazy. Nagnotany Anazy indreo, \v 24 nagnano hoe: " Ry mpampianatry, Mosesy nagnambara hoe: 'Raha maty gne olo, tsy managn'anaky, da tokotry hanambady gne vadiny gne rahalahiny ary hanagn'anaky ho an'gne rahalahiny.

1
22/25.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 25 Nisy mpirahalahy fito. Nanambady gne voalohany ary maty avy teo. Lasa tsy nametraky taranaky, napetrany hoa an'gne rahalahiny gne vadiny. \v 26 Avy teo da nagnano raha mitovy amin'izà evakoa gne faharoy, avy teo gne fahatelo, mitovy amin'izà hatrany amè rahalahy fahafito. \v 27 Tafandreo agnaby, da maty ilay vehivavy. \v 28 Ary amè fitsanganan'gne maty, ho vadin'ia amindreo mpirahalahy fito izy? Fa efa vadiny teo aby indreo fito mirahalahy ireo."

1
22/29.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 29 Fa namaly Jesosy ary nizàka andreo hoe: " Diso anareo, satria tsy mahafantatry gne Soratra Masina na gne herin'Andriamanitry. \v 30 Fa amè fitsanganan'gne maty da sady tsy hanambady indreo gne tsy omè ampakary. Fa kosa, mitovy amin'ireo anjely any an-danitry.

1
22/31.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 31 Fa mahakasiky gne fitsanganan'gne maty, mbola tsy novakianareo mè gne nolazain'Andriamanitry taminareo, magnano hoe: ' \v 32 Iao gne Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, ary Andriamanitr'i Jakoba'? Andriamanitry da tsy Andriamanitry gne maty, fa an'gne velo." \v 33 Rehefa naharè izà indreo vahoaky, da gaga tanteraky tamè fampianarany.

1
22/34.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 34 Fa rehefa rendreo Fariseo gne nampishinagn'i Jesosy gne Sadoseo, da nindray nivondrony indreo. \v 35 Gne raiky tamindreo, mpahay lalàgna, nametra-pagnotania taminy, nangala fagnà Anazy hoe: " \v 36 Ry mpampianatry, ia gne zakabe indrindra amè didy ao amè lalàgna?"

1
22/37.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 37 Nizàka taminy Jesosy hoe: " Tiavo amè fonareo rehetra, amè fagnànareo rehetra, sainareo rehetra gne Tompo Andriamanitrareo.' \v 38 Izà gne didy zakabe sy voalohany.

1
22/39.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 39 Ary gne didy faharoy da mitovy amin'izà evakoa: ' Tiavo gne mpiara-belo aminareo mitovy amè tegnanareo.' \v 40 Amin'ireo didy roy ireo gne iankinan'gne lalàgna retraretra sy ireo mpaminany."

1
22/41.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 41 Ary raha mbola nivondrony gne Fariseo, da nametra-panontania andreo Jesosy. Hoy Izy hoe: " \v 42 Ino gne heritreritrareo mahakasiky an'i Kristy? Zanaka lahin'ia Izy?" Nizàka taminy indreo: " zanak'i Davida."

1
22/43.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 43 Hoy Jesosy tamindreo hoe: " Nahoa ary Davida mijanogny ao amè Fanahy gne mangaiky Anazy hoe Tompo, magnano hoe: ' Gne Tompo nizàka tamè Tompoko hoe:\v 44 " midoboa eo amè tagn'ankavagnako, mandra-pamboarako gne fahavalonao ho fidoboan-tombokao?'

1
22/45.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 45 Raha Davida aza mangaiky an'i Kristy hoe: ' Tompo, ' da naoa gne maha-zanak'i Davida Anazy? \v 46 Tsy nisy nahavaly Anazy tamin'gne teny, ary tsy nisy olo sahy nametra-pagnotania hafa esana nanomboky tamin'izà andro izà.

1
23/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Ary Jesosy nizàka tamin'ireo vahoaky sy ireo mpianany. \v 2 Hoy Izy hoe: " Ireo mpanora-dalàna sy Fariseo da midoboky eo amè fidoboan'i Mosesy.' \v 3 Noho izà na ino na ino handidiandreo anareo ho amboary, da amboaro agnaby ka mitandrema avao. Fa ka hanì mitovy gne asandreo, satria indreo da mizàka zavatry nefa avy teo tsy magnano aby.

1
23/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Eka, fatorandreo gne enta-mavesatry izay sarotry indeshy, avy teo da aishindreo eo amè soroky gne olo. Fa tsy hagnetsiky gne ratsan-tagnany raiky avy gne tegnandreo mba hinday azy ireo. \v 5 Magnano gn'asany agnaby indreo mba ho hitan'gne olo. Fa ataondreo malalaky gne filakiterany, ary itarindreo gne moron'akanjony.

1
23/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Tiandreo gne toeran'gne manan-kaja any amè fagnashà sy gne toeran'gne zakabe ao amè synagoga, \v 7 sy gne fiarabà miavaky eny abezara, ary mba ho angian'gne olo hoe: 'Raby'.

1
23/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Fa anareo tsy azo angia hoe: ' Raby', fa fa raiky evao gne mpampianatrareo, ary mpirahalahy anareo agnaby. \v 9 Ary ka mangaiky gne olo ety an-tany hoe rainareo, fa raiky evao gne Rainareo, ary Izy da any an-danitry. \v 10 Fa anareo ka mizàka angia hoe: 'Mpampianatry', fa raiky evao gne mpampianatrareo, da i Kristy.

1
23/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Fa gne zakabe indrindra aminareo gne ho mpagnomponareo. \v 12 Na ia na ia manandra-tegna da ahetry, ary na ia na ia magnetry tegna da hasandratry.

1
23/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Fa loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa arindrinareo amè olo gne fanjankan'gne lanitry. Fa anareo tsy mampiditry gne tegnanareo, ary tsy homanareo indreo izay mitady hiditry. \v 14 Loza hoa anareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsarambelatsy! Fa laninareo gne tragnon'gne mpitondrategna, ary da magnano vavaky lavareny ho fialohana anareo, ka izà gne hahazoanareo fanamelohana mafimafy kokoa. \v 15 Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsarambelatsy! Fa mandeha mitety gne ranomashy sy gne tany maigny anareo mba hampiova fo gne olo raiky, ary rehefa miova izy, da aninareo gne zanaky gne helo avo roy heny mihoatry anareo izy.

1
23/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 Loza ho anareo, mpitariky jamba izay magnano hoe: " Raha misy mitangè amè tempoly, da tsy mampagnino izà, fa raha misy mitangè amè volamena amè tempoly, da voafatotry gne fitangenany izy." \v 17 Ry mola sy jamba! Ia gne zakabe, gne volamena, sa gne tempoly izay magnano gne volamena ho masina?

1
23/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Ary, ' Na ia na ia mitangè amè alitara, da tsy misy dikany izà. Fa na ia na ia mitangè amè fanatitry izay eo ambonin'izà, da voafatotry gne fitangenany izy'. \v 19 Anareo olo jamba! ia gne zakabe kokoa, gne fanatitry sa gne alitara izay magnano gne fanatitry ho masina?

1
23/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 Noho izà, izay mitangè amè alitara, da mitangè amin'izà sy amè zavatry rehetra eo amboniny. \v 21 Gne raiky izay mitangè amè tempoly, da mitangè amin'izà sy amin'izay moniny ao aminy, \v 22 ary gne raiky izay mitangè amè lanitry, da mitangè amè seza fiandrianan'Andriamanitry sy aminy izay midoboky eo ambonin'izà.

Some files were not shown because too many files have changed in this diff Show More