auto save

This commit is contained in:
MAD136 2020-02-16 05:59:33 -05:00 committed by root
parent 7ad0be5f7d
commit 67634b395a
1 changed files with 1 additions and 0 deletions

1
09/37.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
37 Ary ako gnomarainigny, laha nidigny avy tame tendrombohotry indreo, da vahôky maro gne nifankahazo taminazy. 38 nisy lelah raiky niboda avy tame vahôky nikoiky mafy, nagnano hoe: «Eh ro mpampianatry e! mibebaky aminao ià mba hagnety gne zanako lah ty, fa zaza toka izy io. 39 Itanao misy fagna mibeko enazy zay da mitoreo tapoky izy; mapifanitosito enazy iza ka mampisy ranivy gne vavany. Tsy miala anazy izà ary da tena mahasosotry enazy. 40 Nibebaky tamgne mpianatrao ià mba hagnala anzà fa tsy afakindreo». 41 Namaly i Jesosy hoe: «enareo tsy mpino sady taranaky ratsy fitondran-tena, hatramgnovia gne tsy maintsy iarahako aminareo sy heretako indray aminareo? Indeso aty gne zanakao lah». 42 Laha nagnato ity zaza lah, da nahifike demonia tame tany izy ary napimia anazy. Fa i Jesosy da nizaka mafy gne fagna ratsy ary nitsabo enizà zaza lelah zà, ary namerigny enazy tamiabany. 43 Ary avy teo da gaga aby gne be sy ny maro nahita gnahabene Zagnahary. Laha gaga tame raha maro namboariny indreo, da hoy izy tame mpianatriny se: 44 « anio agnatine sofinareo itoa zaka toa: gne zanakOlo da efa hatolotry ho atagnanolo». 45 Fa tsy azondreo izà fagnambara zà. Izà da nafiny endreo, noho izà da tsy azondreo gne dikanizà, ary ambola matahatry indreo gne hagnontany gne mikasiky enzà fagnambara zà. 46 Avy teo da nanomboky nisy tsy fifankazaoan-kevitry tamindreo gnamhoe ho zakabe sady ho to-teny amindreo. 47 Fa i Jesosy defa nahafatatry gnhevitry tagnaty trokindreo, ka zaza madiniky raiky Izy ka napidobohiny tagnilany teo 48 ary nizaka tamindreo izy hoe:fa niza niza mandray anity zaza ty amgnagnarako da mandray enah; ary niza niza mandray enah, da mandray gne Ray izay nagniraky enah. Fa izay kidy indrindra aminareo aby gne zakabe». 49 I Jaona da namaly hoe: «Tompo o! nahita olo raiky iahay nangala demonia tamgnagnaranao da noraranay izy, satria izy tsy mindray dia aminay». 50 «ka rarà izy», hoy Jesosy, «satria izay tsy manohitry enareo da magnaraky enareo». 51 Laha efa nariny gnandro apekara anazy, da nitodiky ho agny Jerosalema izy. 52 Nandefa hiraky taloa izy, ary nandeha indreo ka niditry tame tanà-ne Samaritana mba hagnoma gne raha aby ho anazy. 53 Fa gne vahôky tao tsy nandray enazy, satria nitodiky ho agny Jerosalema izy. 54 Laha nahita enizà i Jakoba sy i Jaona mpianatry, da hoy indreo se: «Tompo o!, tianao iahay laha mandefa afo milatsaky avy an-dagnitry mba hagnapotia andreo?» 55 Fa nitodiky izy ary nizaka mafy tamindreo, 56 lasa tagny ame tanà hafa indreo. 57 Ary laha tame làla indreo da nisy olo raiky nagnano taminazy hoe: «hagnaraky enao ià naiza naiza ombanao». 58 I Jesosy nizaka taminazy hoe: «gnamboahidy manan-davaky ary gne voro mandrembo da mana gne tragnony, fag ne zanakOlo tsy mana-toera asia gne loany». 59 Ary hoy izy tame sasany se: «magnarà anah». Fa hoy izy se: «apetray eky ià handevy eniabako». 60 Fa hoy Izy taminazy se: «apetray gne maty handevy gne maty aminazy. Fa ho anao mandiana ka mitoria agny lavitry agny ary apitombohy gne fanjakanAndriamanitry». 61 Ary nisy olon-kafa nagnano hoe: «hagnaraky enao ià Tompo, fa apetray eky ià hagnano veloma gnolo andragnoko». 62 I Jesosy namaly enazy hoe: «Tsy misy olo mità angady ary mitodiky ka mendriky ho ame fanjakanAndriamanitry».