tkg_luk_text_reg/07/06.txt

1 line
6.5 KiB
Plaintext
Raw Normal View History

2020-02-16 10:59:33 +00:00
6 da nanohy gne làlagny nindray tamindreo i Jesosy. Rehefatakeky gne tragno Izy, da nagniraky nama i Kapiteny ary nizaka taminazy hoe: «Tompo ô! Ka manahira gnainao enao satria tsy mendriky gne hidera anao ambanine tafotragnoko ià. 7 Noho izà da tsy nihevitry gne tegnako ho mendriky agnatrehanao ià, fa mizaka zaka raiky da ho tsara gne mpiasako. 8 Ame maha ambany fahefaha enah, da mana miaramila ambaniko evakoa. Hoy ià amty raiky ty se: «mandiana», da mandeha izy, ary ame raiky hafa: «avia», da magnato izy, ary ame mpiasa hoe: «amboaro ity», ary da haniny izà». 9 Laha nahare enza i Jesosy da kaperatry taminazy Izy, ary nitodiky tame vahôky nagnaraky enzy ary nagnano hoe: «rohoniko aminareo, fa ndre tagny Israely da ambola tsy nahitako finoa akoizao». 10 Laha nipody tandragno indreo niraha, da nahita fa salama tsara gne mpiasa. 11 Tafara kidikidinzà, da nandeha tame tanà atao hoe Naina i Jesosy, ary nindray taminazy gne mpianatriny sy gne vahôky maro be. 12 Lefa nariny gne fefine tanà Izy, da igny nisy lelah raiky efa maty najoko, zaza tokaniendriny ( mpivatrotry ), ary vahôky maro be avy ao ame tanà gne nindray nagnajotso enazy. 13 Laha nahita anazy gne Tompo, da nafiray enazy datò ary nizaka taminazy hoe : «ka mitomagny». 14 avy teo da niakatry izy da nità gne vata nitondrandreo gne raza, ary nijano gne ninday enzà. Hoy Izy se : «Eh Tovolah, hoy ià aminao, merena ». 15 Da niarigny gne maty ka nanomboky nizaka, ary i Jesosy nagnome enazy eniendreny. 16 Natahatry aby indreo, ka lasa nidera anAndriamanitry, nizaka hoe : « mpaminany zakabe gne natsanga amitsika etoa » ary « gnAndriamanitry nitsijo gnolony ». 17 Ity vaovao mikasiky eni Jesosy ty da niparitaky nagneragny eni Jodia sy gne faritry magnodidy aby. 18 Gne mpianatri Jaona da nizaka taminazy gne mikasiky enio raha io. 19 da nagnaiky roy tame mpianatriny i Jaona ka nagniraky enazy ho agny amTompo ary hizaka hoe : «enao me gne ho avy sa ambola handigny hafa iahay ? ». 20 Ary laha nagnontany eni Jesosy indreo da hoy ireo lelah hoe : « i Jaona mpagnano batisa gne nagniraky enay aty aminao hagnontany hoe « enao ve gne ho avy sa ambola misy tokony ho diasanay ? » ». ary tamzà lera zà da nahasalama olo maro tamgne arety sy fahoria ary gne mangotsokotsoky avy ame fagna ratsy izy, ary olo jamba maro gne napahitany. 22 I Jesosy namaly ary nizaka tamindreo hoe : « laha avy nandeha tame lalanareo enareo, koragno ami Jaona gne raha hitanareo sy renareo. Nahita gne zamba, nahay nandeha gne malemy, tsara gne boka, nahare gne maregny, nivery velo aby gne maty, ary nitoria gne filazantsara gne olo agnatine fahasahiragna. 23 Sambatry gnolo mino enah nohone gnamboariko. » 34 Ary laha lasa gnolo nirahani Jaona, da nanomboky nizaka tame vahôky i Jesosy mahakasiky eni Jaona hoe : « Hagnety ino gne nijotsohanareo tagny agnefitry ? Sa Volotara nohozongozognone rivotry ? 25 Fa hagnety ino gne nijotsohanareo tagny ? lelah misiky tsara avao ? Hiteo, gne misiky akanjo lafo vidy sy gne miaigny ao ame fiaina tsara da ao ame lampane mpanjaka. 26 Fa hagnety ino gne nijotsohanareo tagny ? Sa mpaminany ? Eka, hoy ia aminareo, ary mihôtry lavitry gne mpaminany. 27 Izy gne voasoratry hoe: « Ao fa alefako aloha enao gne mpitondra gne hafatriko, izay hagnoma gne lalanao mialoha anao». 28 Rohoniko aminareo, fa aminareo izay naterake viavy da tsy misy ambony noho i Jaona. Nefa gne kidy indrindra ao ame fanjakanAndriamanitra da zakabe noho izy». 29 (Laha nahare enizà gnolo aby, agnisanizà gne mpandagno hetra, da nagnambara fa marigny Andriamanitry, satria nagnano batisa tame batisani Jaona indreo. 30 Fa gne Fariseo sy gne mpahay lalagne Jiosy kosa da nandà gne tanjonAndriamanitry hoane tegnandreo, satria tsy namboarini Jaona batisa.) 31 Ame gnino gne ahafahako mampitovy gnolo avy aminizà taranaky za? Akoignino me indreo ? 32 Akoigne zaza mihira ame tsena indreo, izay mipetraky sy mifangaiky ary mizaka hoe : «Nitsotry asody hoanareo iahay, da tsy nandy enareo. Nagnano hira