tkg_jhn_text_reg/16/19.txt

1 line
667 B
Plaintext

\v 19 \v 20 \v 21 Hitan'i Jesosy fa te-hagnotany Azy indrao, da hoy Izy tamindreo hoe: "Iza ve gne agnontanianareo tegna, da gne tiko hambara amè fizàkagna hoe: 'Fotogna fohy sisa tsy hahita Ahy etsana anareo, ary afaky fotogna fohy indray nefa da hahita Ahy anareo'? Zàkaiko aminareo, marina, da marina tokotry, fa hitomagny anareo hitaraigna, fa izao tontolo izao koa hifaly. Ho feno alahelo anareo, kanefa ho lasa hafalia izà alahelonareo izà. Rehefa miteraky gne vihavy raiky da malahelo satria tonga gne fotogny, fa rehefa teraky koa ilay zazakely, da tsy tsaroagny etsana gne alahelony nohon'gne hafalia fa nisy zazakely teraky eo amin'izao tontolo izao.