tkg_2pe_text_reg/02/04.txt

1 line
711 B
Plaintext

\v 4 Fa Andriamanitra tsy namindra fo ireo anjely izay nagnota. Nefa koa natolotriny ho amè vilagny tany indreo mba ho votahy amy gne gandran'e fahamizigna mandra-pevian'e fitsarà. (fagnamaria: Gny dikan-zaka taloha sasany da midika akoizao: "Mba ho fihezy ao amè lavaky gne fahamisia mandra-mandra-piavian'gne fitsarà.") \v 5 Ary evakoa, tsy nagnapetraky izao tontolo izao taloha Izy. Nefa, namonjy an'i Noah, izay mpitory gne fahamarigna, miaraky amè fito hafa, rahà ninday gne safo-drano tamy gne ratsy fagnahy teto amizao tontolo izao izy. \v 6 Andriamanitra evakoa da nagnano gne tanàn'i Sodoma sy Gomora ho lakevo ary nandemoky endreo ho amy gne fahapotea, hakoizany gne hahazo gne ratsy fagnahy.