plt-x-sihanaka_rev_text_reg/07/15.txt

1 line
535 B
Plaintext

Non'izany antony zany, de eo anatrean'ny seza fendriagnan'Andriamanitra zareo, sy mivavaka aminy andro aman'aligna akao amin'ny tempoliny Ny raika ze nipetraka teo amin'ny seza fendriagnana de hamelatra ny lainy amin'jareo Tsy ho nona intsony zareo, na hangetaeta indray Tsy hamely azy ny masoandro, na ny hafagnana mandoro Fa ny Zanak'ondry akeo apovon'ny seza fendriagnana no ho mpiandry an'jareo sy hitari-dalagna an'jareo akeigny amin'ny loharanon'ny rano velogna, ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny mason'jareo"