\v 12 \v 13 \v 14 Rafa nagnokatra ny tombo-kase faenina ny Zanak'ondry, de nitazagna za ary nisy horohoron-tany gedabe. Lasana mainty ôtran'ny lamba fisaonana ny masoandro, ary ny volana fenomanagna de lasana ôtran'ny rà. Reo kintana taigny amin'ny lanitra de potraka tety an-tany, ôtran'ny aviavy magnintsagna ny vôny manta rafa tsofin'ny rivotra mafy. Ny lanitra de nanjavona ôtran'ny horognan-taratasy ze naorongorona. Ny tanety sy ny nosy daôly de nalana takeo amin'ny tôrany.