auto save

This commit is contained in:
MAD012 2020-06-03 10:10:48 +03:00 committed by root
parent c28024fec5
commit 5cdc7f0754
6 changed files with 6 additions and 0 deletions

1
05/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 \v 4 \v 5 Tsisy ôla avy aigny an-danitra na aketo an-tany ka afaka hagnokatra ny horognan-taratasy na hamaky an'zany. Nitomagny mafy za satria tsisy ôla hita mendrika ny hagnokatra ny horonan-taratasy na hamaky an'zany. Kanefa ny raika tam'reo lôholona nilaza taminà hoe: "Aza mitomany. Indro! Le liona fokon'i Joda, le solofon'i Davida, de nandresy. Afaka ny hagnokatra ny horognan-taratasy sy reo tombokase fito izy.

1
05/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 \v 7 Natazagna Zanak'ondry mitsangana akeo anelanelan'ny seza fiandrianana sy reo ra managn'aigna efatra ary akeo agnivon'reo lôholona za. Ôtran'ny hoe ôla novonona izy. Nanagna tandroka fito sy maso fito izy; zareo no fanahy fiton'Andriamanitra nalefa nagnerana ny tany. Nande izy ary niaka le horognan-taratasy taigny amin'ny tagnan-kavanan'le raika ze nipetraka takeo amin'ny seza fiandrianana.

1
05/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Rafa noraisin'le Zanak'ondry le horognan-taratasy, reo ra managn'aigna efatra sy reo lôholona efatra amby rôpolo de nampiankotra ny tegnan-jareo takeo agnolôny. Samy nanagna lokanga sy vilé volamena feno emboka magnitra avy ny tsiraikaraika tamin'jareo, ze vavak'reo mpino.

1
05/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 \v 10 Nihira hira vaovao zareo: "Mendrika ny handray an'le horognan-taratasy anao ary hagnokatra ny tombokasen'zany. Fa anao de novonona, ary tamin'ny rànao no nividianana an'reo ôlon'andriamanitra avy tamin'ny foko, fiteny, ôla, ary firenena daôly. Nataonao fanjakana sy mpisorogna zareo mbô hanompo an'Andriamanitra, ary hanjaka aketo an-tany."

1
05/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 \v 12 Avy takeo za de nahita sy naregny feon'anjely maro nanodidina ny seza fiandrianana sy reo ra managn'aigna ary reo lôholona. Ny fitambaran'jareo de amagn'alinalina. Niteny tamin'ny feo mafy zareo hoe: "Mendrika anie le Zanak'ondry ze novonona mbô handray faefana, harena, fahendrena, hery, laza, voninatra, ary dera."

1
05/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 \v 14 Naregny reo ra vôforona daôly ze taigny an-danitra sy taketo an-tany ary an-dranomasina za - ny ra daôly takao agnatin'reo - niteny hoe: "Ho an'le raika ze mipetraka akeo amin'ny seza fiandrianana sy ho an'le Zanak'ondry anie ny dera, ny laza, ny voninatra, ary ny faefana handidy, mandrakizay doria." Reo ra managn'aigna efatra, niteny hoe: "Amena!" Ary reo lôholona niankotra sy nivavaka. [Fagnamarihana: Ny sasagny am'reo dikan-teny talô de mivaky hoe: "Reo lôholona rô amby efapolo de niankotra sy nanompo an'le raika ze velona mandrakizay doria."]