plt-x-sihanaka_mat_text_reg/06/16.txt

1 line
507 B
Plaintext

\v 16 Ankôtra zay, rafa mifady hanina nareo, aza manambôgna endrika mampalaelo ôtran'ny ataon'ny mpetsaravelatsy, fa manaratsy tare izy reo ka mba mety ho itan'ny ôla fa tegna mifady hanina. Lazaiko marina aminareo, fa efa nandray ny valisoany izy reo. \v 17 Fa enao, rafa mifady hanina, osory menaka ny lônao ary sasao ny tarenao, \v 18 ka mba tsy ho itan'ny hafa hoe mifady hanina, fa amin'ny Rainao ze akao amin'ny mangingina iany, ary ny Rainao ze maita akao amin'ny mangingina, no hamaly soa anao.