plt-x-sihanaka_mat_text_reg/04/23.txt

1 line
586 B
Plaintext

\v 23 Nande eran'i Galilia Jesosy, nampianatra takao amin'ny synagogan-jareo, nitory ny filazantsaran'ny fanjakana, ary nagnasitrana reo karazan'aretina daôly mbakan'ny rofy daôly takeo amin'ny ôla. \v 24 Niparitaka eran'i Syria ny vaovao makasika an'Azy, ka de nentin'ny ôla takeo amin'Azy reo ze marary daôly, mararin'ny karazan'aretina sy fangirifirina, reo demoniaka, sy ze mararin'ny androbe sy mararin'ny paralysisa. Nositranin'i Jesosy izy regny. \v 25 Vahôka betsaka avy taigny Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia ary ny avy aigny an-dafin'i Jordana no nagnarka an'Azy.