\v 29 Raha nivôka avy aigny Jeriko zareo, de vahôka betsaka no nanaraka an'Azy. \v 30 Nisy lehilà jamba rôy nipetraka takeo amoron-dàlana. Rafa naregny fa nandalo Jesosy, de niaika mafy zareo hoe: "Tompo, Zanak'i Davida, mamindrà fo aminay." \v 31 Nibedy an-jareo reo vahôka, niteny an-jareo mbô hangina, kanefa vô mainka zareo niaikaika mafibe hoe: "Tompo, Zanak'i Davida, mamindrà fo aminay."