auto save

This commit is contained in:
MAD012 2020-06-04 15:23:36 +03:00 committed by root
parent 5978047879
commit 9bfe5e5f8d
20 changed files with 20 additions and 0 deletions

1
03/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Tamin'ny taona faha dimy ambefolo nanjakan'i Tiberie Kaisara - tamin'i Pontio Pilato no governoran'i Jodia, Heroda de mpanapaka tao Galilia, Filipo ralahiny de mpanapaka tao amin'ny faritra Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania de mpanapak'i Abilena, \v 2 nadritry ny fisorognam-ben'i Aniasy sy Kaiafa - de tonga tamin'i Jaona zanaka lahin'i Zakaria taigny an'gnefitra ny tenin'Andriamanitra.

1
03/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Nande taigny am'reo faritra daôly magnodidigna an'i Jordana izy, nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelana reo heloka.

1
03/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Araka ny vôsoratra akao amin'ny bokin'ny tenin'i Isaia mpaminagny hoe: "Nisy feo raika nagnantso mafy avy taigny an'gnefitra hoe: 'Ataovo vognona ny lalan'ny Tompo, ataovo mahitsy ny lalana andeanany.

1
03/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Ny lôsaha daôly hototofana, ary ny tanety sy ny havôna ahetry, ary ny lalana miolaka de amboarina mahitsy, ary ny tôrana mikitôntôgna de ho atao lalana, \v 6 ary ny nofo daôly de hatazagna ny famonjen'Andriamanitra.'"

1
03/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Ka nitare tam'reo vahôka ze tonga hatao batisa i Jaona hoe: "Anareo ry taranaky ny menaragna! Iza ma no nampitandrina an'nareo mbô handositra ny fahasosena ze ho avy?

1
03/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Noho zany, mamokara voa mendrika ny fibebahana, ary aza mitare akao agnatinareo hoe: 'Zahay managna an'i Abrahama ho rainay,' fa mitare an'nareo za fa Andriamanitra de afaka manangana zanaka ho an'i Abrahama avy am'reto vato reto.

1
03/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Am'zao fotôna zao aza ny famaky de mitsatoka akeo ampototry ny kakazo. Ka ny kakazo daôly ze tsy mamô vô tsara de baragnina ary hatsipy aigny agnaty afo."

1
03/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Ary reo vahôka de nagnontany an'azy hatraigny, ka nitare hoe: "Ino ary no ataonay?" \v 11 Namaly izy ka nitare tamin-jareo hoe: "Raha misy ôla managna akanjo lava rôy, tokony mizara an'zany amin'ôla raika ze tsy managna izy, ary ze managna ahanina kô de tokony hagnano ôtran'zany."

1
03/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Reo mpamory hetra kô de tonga mbô hatao batisa, ary nitare tamin'azy hoe: "Mpampianatra ô, ino no tsy maintsy ataonay?"\v 13 Izy nitare tamin-jareo hoe: "Aza magnangona vola mihôtra noho ze nasaina halainareo."

1
03/14.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 14 Miaramila betsaka kô nagnontany an'azy, nitare hoe: "Manakôry ma ny momba an'nay? Ino no tsy maintsy ataonay?" Izy nitare tamin-jareo hoe: "Aza mialaka vola amin'ôla an-keriny, ary aza mempanga lainga ôla. Mifalia amin'ny karamanareo."

1
03/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 Ary raha nandigny fatratra ny fatongavan'i Kristy ny vahôka, de nagnontany takao am-pony ny makasika an'i Jaona ny tsiraikaraika, na mety ho izy na tsy izy no Kristy. \v 16 Jaona namaly tamin'ny fitaravana an'azy daôly hoe: "Raha ny aminà, de magnano batia an'nareo amin'ny rano za, fa misy ôla raika ho avy ze mahery mihôtra anà, ary tsy mendrika za na de hamaha reo tadin-kapany aza. Hagnano batisa an'nareo amin'ny Fagnahy Masina sy ny afo Izy.

1
03/17.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 17 Akeo an-tagnany ny fikororohany mbô hagnadiovana tsara ny akao am-pamolôny sy hagnangonana ny vary ho aigny amin'ny volovary. Fa ho dorôny amin'ny afo tsy mety vonina ny akofa.

1
03/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Niaraka tamin'ny fagnanarana maro hafa iany kô, Jaona nitory vaovao tsara ho an'ny vahôka. \v 19 Heroda mpanapala rafa nanarina nohon'ny nanambadeny ny vadin-dralahiny Herodiasy, sy nohon'ny ra ratsy hafa daôly ze vitany, \v 20 de ho fagnampin'zany daôly zany, de nampidiriny taigny am-ponja Jaona.

1
03/21.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 21 Ary, rafa vita batisa avokoa ny ôla daôly, de natao batisa kô Jesosy, ary raha mbôla nivavaka izy, de nisokatra ny lagnitra, \v 22 ary ny Fagnahy Masina niaka endrika ka nidigna takeo amin'Azy salan'ny voromelala, ary nisy feo avy aigny an-dagnitra nagnano hoe: "Anao no Zanako, malalako. Faly Za nohon'ny aminao."

1
03/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 Rafa nagnomboka ny asa fanompoany Jesosy, de teo amin'ny telopolo taona teo Izy. Izy no zanaka lahin'i (araka ny feverana) Josefa, zanak'i Hely, \v 24 zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Janay, zanak'i Josefa.

1
03/25.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 25 Josefa de zanak'i Matitia, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Elsy, zanak'i Nagay, zanak'i Mata, \v 26 zanak'i Matatia, zanak'i Semey, zanak'i Joseka, zanak'i Joda.

1
03/27.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 27 Joda de zanak'i Joanana, zanak'i Rase, zanak'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, zanak'i Nery, \v 28 zanak'i Melky, zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i Elmadama, zanak'i Era,\v 29 zanak'i Josoa, zanak'i Eliezara, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy.

1
03/30.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 30 Levy de zanak'i Simeona, zanak'i Joda, zanak'i Josefa, zanak'i Jonama, zanak'i Eliakima, \v 31 zanak'i Melea, zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i Davida, \v 32 zanak'i Jese, zanak'i Obeda, zanak'i Boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona.

1
03/33.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 33 Nahasona de zanak'i Aminadaba, zanak'i Adimina, zanak'i Arny, zanak'i Hezrona, zanak'i Fereza, zanak'i Joda, \v 34 zanak'i Jakoba, zanak'i Isaka, zanak'i Abrahama, zanak'i Tera, zanak'i Nahora, \v 35 zanak'i Seroga, zanak'i Reo, zanak'i Palega, zanak'i Ebera, zanak'i Sela.

1
03/36.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 36 Sela de zanak'i Kenana, zanak'i Arpaksada, zanak'i Sema, zanak'i Noa, zanak'i Lameka, zanak'i Metosela, \v 37 zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanak'i Kenana, \v 38 zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanak'Andriamnitra.