plt-x-sihanaka_act_text_reg/01/09.txt

1 line
538 B
Plaintext

\v 9 \v 10 \v 11 Rafa niteny an'zany ra zany i Jesosy Tompo, de niandrandra izy reo, nakarigna Izy, ary ny rondro nagnakona an'Azy teo amason'jareo. Raha mbola nibanjina ny lagnitra igny zareo tamin'ny nandehanany, tampoka teo, de nisy rolàhy nekanjo fotsy nitsanagana teo agnilan'jareo. Niteny izy reo hoe: "Ry leila avy aigny Galilia, magnino nareo no mitsangana aketo mijero ny lagnitra? Iny Jesosy nalaina taminareo ze nampekarina aigny an-dagnitra igny, de hiverigna ôtran'ny nahitanareo an'azy niakatra aigny an-dagnitra teo igny.