plt-x-sihanaka_act_text_reg/16/37.txt

1 line
574 B
Plaintext

\v 37 \v 38 \v 39 Fa niteny tamin-jareo Paoly hoe: "Nitarika an'nay ampabemaso tsisy fitsarana zareo, na de mizàka ny zom-pirenena Romanina aza zahay - ary nalefan-jareo tao am-pigadrana. Am'zao de ten-jareo ho alefa an-tsokosoko ma zahay? Tsia! Ôka ny tegnan-jareo no ho tonga aketo sy hitarika an'nay hivôka." Nitatitra an'zany teny zany tamin'ny mpitsara ny mpiambina, ary raha vô naregny zareo fa romanina i Paoly sy Silasy, de natatra zareo. Tonga sy nagnalatsiny tamin-jareo ny mpitsara ary nitondra an-jareo nivôka, nangataka an-jareo mbô hiala akao an-tanàna.