plt-x-sihanaka_act_text_reg/27/12.txt

1 line
618 B
Plaintext

\v 12 Satria ao am'seragnana de tsy mora raha hijanonana mandritry ny ririnina, de betsaka tam'reo mpetsambo no nagnatoro hevitra ny hiondrana hiala teo, fa ndraindray mbô afaka mizotra makaigny an'tanànan'ny Foiniksa am'fara herinay, mba hipetraka aigny mandritry ny ririnina. Foiniksa de saragnana aigny Kreta, ary magnatrika ny magnavaratra andrefana sy ny magnatsimo-andrefana zany.\v 13 Rafa nanomboka nitsoka malefaka ny rivotra avy aigny atsimo, de nihevitra reo tantsambo fa nanagna ze nilain'jareo. Ka de nampakatra ny vatofantsika ary niondrana nagnaraka an'i Kreta zareo, nagnakeky ny moron-dranomasina.