plt-x-sihanaka_act_text_reg/26/15.txt

1 line
765 B
Plaintext

\v 15 Avekeo nitare za hoe: 'Iza anao, Tompo ma?' Ny Tompo namaly hoe: 'Za no Jesosy ze kinjenao. \v 16 Am'zao fotôna zao merema ary mitsangana amin'ny tongotrao; satria noho zao antony zao no nibôgnako taminao, mbô hanendry an'nao ho mpanompo sy ho vavolombelona makasika reo ra ze fantatrao momba Anà am'zao ary reo ra ze abôgnako an'nao akao afara kely; \v 17 ary hagnavotra an'nao akao amin'ny vahôka sy reo Jentilisa ze hagnirako an'nao Za, \v 18 mbô hagnokatra ny mason-jareo ary hampitodika an'jareo hiala amin'ny haizina hankaigny amin'ny fazavana ary amin'ny herin'ny Satana hankaigny amin'Andriamanitra, mbô hafan-jareo mandray avy amin'Andriamanitra ny famelan-keloky ny fahotana sy ny lova ze ameko an-jareo ze namasinina tamin'ny finoana Anà.'