plt-x-sihanaka_act_text_reg/09/17.txt

1 line
548 B
Plaintext

\v 17 De lasa i Ananiasy, ary niditra takao amin'ny tragno. Nametraka ny tagnany takeo amin'azy, de nitare izy hoe: "Ralahy Saoly, ny Tompo Jesosy, ze nibôgna taminao taigny an-dalana rafa nankaty anao, no nandefa anà taty mbô mety hahiratanao ary ho feno ny Fanahy Masina." \v 18 Teo no eo de ra ôtran'ny kiran-dapia no niendaka avy hatraigny takeo amin'ny mason'i Saoly, ary nahiratra izy; nitsangana izy ary natao batisa; \v 19 ary nihinana izy ka nahazo hery. Nipetraka niaraka tam'reo mpianatra takao Damaskosy nandritry ny andro maro izy.