\v 7 Rafa vitanay ny de taigny Tyro, de tonga taigny Ptolemaisy zahay. Taigny de naifanena tam'reo ralà ary nijagnona ray andro niaraka tamin-jareo. \v 8 Ny amaraigna de niala takao zahay ary nande taigny Sezarea. Niditra ny tragnon'i Filipo tsika, evanjelista, ze raika tam'reo fito, ary nijagnona niaraka tamin'azy zahay. \v 9 Am'zao fotôna zao io leila io de nanan-janaka vavy virijiny efatra ze naminagny.