\v 1 Rafa tapitra ny tabataba, namory reo mpianatra i Paoly ary nampaery an'azy reo avy teo, nagnano veloma izy ary lasana nankaigny Makedonia. \v 2 Rafa nande taigny am'reo faritra reo izy sy nagnano teny fankaherezana maro an'azy reo, de tonga taigny Gresia izy.\v 3 Rafa avy nanangana telo volana tao izy, de nisy teti-dratsy noforonin'reo Jiosy hanoerana an'azy raha izy hande sambo ho aigny Syria igny, ka nanapakevitra ny hiverigna ho aigny Makedonia izy.