\v 32 nitory ny tenin'ny Tompo tamin'azy zareo, niaraka tamin'ny ôla daôly takao an-tragnony. \v 33 Avekeo de nandray an'azy reo tamin'ny alina tamin'igny ora igny iany le mpambina fonja, ary nagnasa ny ferin-jareo, ary izy sy reo daôly takao amin'ny tragnony ray manontolo de natao batisa teo no ho eo. \v 34 Avekeo de nentiny niakatra takao an-tragnony i Paoly sy Silasy ary nandroso sakafo takeo agnolôn-jareo izy, de nifaly tokoa izy niaraka tam'reo takao an-tragnony, f'efa nino an'Andriamanitra izy.