auto save

This commit is contained in:
MAD012 2020-06-04 14:53:03 +03:00 committed by root
parent be3fee5b3c
commit ab4e368040
11 changed files with 11 additions and 0 deletions

1
11/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 \v 2 \v 3 Ary reo Apostoly sy reo ralà ze taigny Jodia naregny fa reo Jentilisa iany kô de nandray ny Tenin'Andriamanitra. Rafa niakatra taigny Jerosalema i Petera, reo ze takao amin'ny antokon'reo vôfora de nagnakina an'azy; ozy zareo hoe: "Anao nikambagna niaraka tam'reo leila tsy vôfora sady nihinana niaraka tamin-jareo!"

1
11/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 \v 5 \v 6 Fa Petera nanomboka nagnazava ny ra nitranga tamin-jareo tamin'ny antsipiriany; ozy hoe: "Nivavaka taigny amin'ny tanànan'ny Jopa za, ary nahita fahitana ny amin'ny fisian'ny ra raika ze nidigna, salan'ny lamba gedabe nahidigna avy aigny an-dagnitra tam'reo zorogny efatra za. Nidigna takeo aminà zany. Nivandrigna an'zany za ary nisaintsaigna momba an'zany. Natazagna reo biby mana-tongotra efatra amin'ny tany, reo biby de, reo biby mandady, ary reo vorogna aigny amin'ny lagnitra za.

1
11/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 \v 8 \v 9 \v 10 Avekeo za de naregny feo nitare taminà hoe: "Mitsangana, ry Petera; mamonô ary minàna." Ozy za hoe: "Tsia, ry Tompo; fa tsy mbôla nisy ra tsy masina na maloto mitsy niditra takato am-bavako." Fa le feo namaly avy aigny an-dagnitra ndre hoe: "Ze notaravin'Andriamanitra fa madio, aza antsovina hoe maloto." Nibôgna in-telo zany, ary avekeo de nalaina niverigna niakatra taigny an-dagnitra ndre ny ra daôly.

1
11/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 \v 12 \v 13 \v 14 Indro, teo no ho eo de nisy telolà nitsangana takeo agnolôn'ny tragno ze nisy an'nay; nalefa avy taigny Kaisaria nankaty aminà zareo. Ny Fanahy de nandidy anà hiaraka amin-jareo, ary tsy tokony hagnisy fizahan-tava amin-jareo za. Reo ralà enina reo de nande niaraka taminà, ary nande nankao an-tragnon'le leila zahay. izy nikoragna taminay ny nahitany anjely raika nitsangana takao an-tragnony ary nitare hoe: "Magnirà leila aigny Jopa ary ento miverigna i Simona ze antsôvina hoe Petera. Izy de hilaza hafatra raika aminao ze havôvonjy an'nao - anao sy ny ankohonanao daôly."

1
11/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 \v 16 Raha vô nagnomboka nikoragna tamin-jareo za, ny Fanahy Masina de tonga tamin-jareo, salan'ny nidignany taminay taigny am-bôlôny. Tadidiko ny tenin'ny Tompo, ny nitinenany hoe: "Jaona nagnano batisa tamin'ny rano tokoa; fa anareo de mila hatao batisa akao amin'ny Fanahy Masina."

1
11/17.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 17 \v 18 Ka raha Andriamanitra nagnome an-jareo ny fanomezana mitovy ami'ze nameny antsika tamitsika nino an'ny Tompo Jesosy Kristy, iza za, no ho afaka hagnohitra an'Andriamanitra?" Rafa regnin-jareo zany ra zany, tsy nateny na ino na ino hoenti-mamaly zareo, fa nidera an'Andriamanitra kosa zareo ary nitare hoe: "Ary Andriamanitra nagnome fibebahana ho fiaignana ho an'reo Jentilisa iany kô."

1
11/19.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 19 \v 20 \v 21 Ary reo ze naparitaka noho ny fanenjehana ze netomboka tamin'ny fafatesan'i Stefana de niely lavitra taigny Foinika, Kyprosy, ary Antioka, fa zareo de nilaza ny hafatra momba an'i Jesosy tam'reo Jiosy rerika fôgna. Fa ny sasagny tamin-jareo, reo leila avy aigny Kyprosy sy Kyrena, de nande taigny Antioka ary nikoragna tam'reo Grika iany kô, nilaza tamin-jareo ny filazan-tsara momba ny Tompo Jesosy. Ny tagnan'ny Tompo de niaraka tamin-jareo; betsaka no nino ary nitodika tamin'ny Tompo.

1
11/22.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 22 \v 23 \v 24 Reo vaovao momba an-jareo de tonga taigny an-tsofign'ny fiangonana takao Jerosalema, ary zareo nagniraka an'i Barnabasy hatraigny Antioka. rafa tonga izy ka nahita ny fagnomezan'Andriamanitra, de ravoravo izy; ary izy nampahery azy daôly mbô hitôtra miaraka amin'ny Tompo amin'ny fon-jareo daôly. Satria izy de leila tsara sady feno ny Fanahy Masina sy finoana, ary ôla betsaka no nagnampy ho an'ny Tompo.

1
11/25.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 25 \v 26 De nande nankaigny Tarsosy i Barnabasy mbô hitady an'i Saoly. Rafa hitany izy, de nentiny taigny Antioka. Ary nandritry ny herintaona maninjitra zareo de niara-niangona niaraka tamin'ny fiangonana ary nampianatra ôla betsaka. Reo mpianatra de nantsôvina vôlôny hoe kristiana takao Antioka.

1
11/27.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 27 \v 28 ary tam'zany andro zany de nisy mpaminagny betsabetsaka nidigna avy taigny Jerosalema nankaigny Antioka. Raika tamin-jareo, i Agabo no agnantsôvana an'azy, nitsangana ary natoron'ny Fanahy fa hisy mosary lehibe hitranga manerana zao tontolo zao. Nitranga zany tamin'ny andron'i Klaodio.

1
11/29.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 29 \v 30 Noho zany, reo mpianatra, araka ny fahafahan'ny tsiraikaraika avy, de nagnapa-kevitra ny handefa fanampena ho an'reo ralà taigny Jodia. Nagnano an'zany zareo; nandefa vola no an'reo lôhôla zareo tamin'ny tagnan'i Barnabasy sy Saoly.