auto save

This commit is contained in:
MAD012 2020-06-04 11:22:21 +03:00 committed by root
parent e34b87fc81
commit 5f5e565e52
16 changed files with 16 additions and 0 deletions

1
09/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 \v 2 Fa i Saoly, de mbola nagnano fandrahognana fôgna iôny fa na hatramin'ny famonona anoherana reo mpianatry ny Tompo aza, nande taigny amin'ny mpisoronabe ary nangataka tamin-jareo taratasy ho an'reo synagoga takao Damaskosy, ka raha mahita n'iza n'iza akeo amin'ny lalany izy, na leila na vevavy, de entiny hifatotra akaigny Jerosalema zareo.

1
09/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 \v 4 Raha mbôla nande izy, de zao no nitranga rafa tonga takeo ankekin'i Damaskosy izy, tampoka teo de nisy hazavana namirapiratra nagnodidina an'azy avy aigny an-dagnitra; ary nidaraboka tamin'ny tany izy ka nandregny feo nitare tamin'azy hoe: "Saoly, Saoly, magnino ma anao no magnenjika Anà?"

1
09/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 \v 6 \v 7 Saoly namaly hoe: "Iza ma Anao, Tompo?" Ozy ny Tompo: "Za no Jesosy ze kinjehinao, fa mitsangàna, midira akao amin'ny tanàna, ary ho lazaina aminao ze tsy maintsy ho ataonao." Ny leila ze niara-de tamin'i Saoly de nitsangana tsy nahavôlagna, nandregny ny feo, fa tsy nahita an'iza n'iza.

1
09/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 \v 9 Nitsangana avy tamin'ny tany i Saoly, ary rafa nanokatra ny masony izy, de tsy afaka natazagna na ino na ino izy; la notantanan-jareo tamin'ny tagnany izy ary nentina taigny Damaskosy. Tsy natazagna izy nandritry ny telo andro, ary tsy nihinana izy no sady tsy nisotro.

1
09/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 \v 11 \v 12 Ary nisy mpianatra takao Damaskosy antsovina hoe Ananiasy. Nitare tamin'azy tamin'ny fahitana ny Tompo: "Ananiasy!" Ozy izy: "Indro, ty za, Tompo." Nitare tamin'azy ny Tompo: "Mitsangàna, ary mandiana aigny amin'ny lalana ze antsovina hoe Mahitsy, ary rafa akao an-tragnon'i Jodasy de mangatà am'le leila avy aigny Tarsosy antsovina hoe Saoly, fa mivavaka izy. Efa nahita tamin'ny fahitana ny fihavian'ny ôla antsovina hoe Ananiasy izy ary hametraka ny tagnany akeo amin'azy, ka mety hatazagna ndre izy."

1
09/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 \v 14 \v 15 \v 16 Fa namaly Ananiasy hoe: "Tompo, efa nandregny tamin'ny maro momba an'io ôla io za, makasika ny ratsy nataony tamin'ny ôla masina tao Jerosalema. Nanagna faefana tam'reo lôhan'ny mpisorogna izy mbô hisambotra ze daôly magnantso ny Agnaranao aketo." Fa ny Tompo nitare tamin'azy hoe: "Mandiana, fa izy de fitaovana nofidiko, mbô hitondra ny Agnarako akeo agnolôn'ny Jentilisa sy reo mpanjaka ary ny Zanak'Israely; fa ho abôgnako an'azy hoe magnakôry ny fijaleny noho ny amin'ny Agnarako."

1
09/17.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 17 \v 18 \v 19 De lasa i Ananiasy, ary niditra takao amin'ny tragno. Nametraka ny tagnany takeo amin'azy, de nitare izy hoe: "Ralahy Saoly, ny Tompo Jesosy, ze nibôgna taminao taigny an-dalana rafa nankaty anao, no nandefa anà taty mbô mety hahiratanao ary ho feno ny Fanahy Masina." Teo no eo de ra ôtran'ny kiran-dapia no niendaka avy hatraigny takeo amin'ny mason'i Saoly, ary nahiratra izy; nitsangana izy ary natao batisa; ary nihinana izy ka nahazo hery. Nipetraka niaraka tam'reo mpianatra takao Damaskosy nandritry ny andro maro izy.

1
09/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 \v 21 \v 22 Avy hatraigny de nagnambara an'i Jesosy takao amin'ny Synagoga izy, nilaza fa Izy no Zanak'Andriamanitra. Ze daôly naregny an'azy de gaga ary nikoragna hoe: "Tsy io ôla io ma no namono reo takaigny Jerosalema ze nagnantso tamin'io Agnarana io? Tonga taketo izy mbô haka an-jareo ho fatorana ho aigny amin'ny mpisorognabe." Fa lasana nihanahery i Saoly, ary nampahery ny Jiosy ze nipetraka takao Damaskosy ka nanaporofo fa Jesosy no Kristy.

1
09/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 \v 24 \v 25 Tafaran'ny andro maromaro, niara-nagnano drafitra mbô hamono an-jareo ny Jiosy. Fa lasana fantatr'i Saoly ny tetik'zareo. Ary niandry ny vavahady magnalin'andro mbô hamono an'azy zareo. Fa niaka an'azy tamin'ny alina reo mpianany ary namela an'azy hidigna tamin'ny rindrigna, nampidigna an'azy takao agnaty harogna.

1
09/26.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 26 \v 27 Rafa tonga takeo Jerosalema izy, de nagnandrana ny hagnatona reo mpianatra i Saoly, nefa natatra an'azy daôly reo, tsy nino fa mpianatra izy. Fa niaka an'azy i Barnabasy ary nitondra an'azy takeo am'reo Apostoly, ary nilaza tam'reo izy hoe nagnakôry no nahitan'i Saoly ny Tompo taigny an-dalana sy ny nikoragnan'ny Tompo tamin'azy, ary nagnakôry no nitorian'i Saoly am-pasahiana tamin'ny agnaran'i Jesosy takao Damaskosy.

1
09/28.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 28 \v 29 \v 30 Nihaona tamin-jareo izy rafa niditra ary nivôka an'i Jerosalema. Nitare am-pasahiana tamin'ny agnaran'i Jesosy Tompo izy ary niady hevitra niaraka tam'reo Jiosy Grika; nefa mbôla niezaka ny hamono an'azy fôgna zareo. Rafa fantatr'reo ralahy zany, de nentin-jareo nidigna taigny Kaisaria izy ary nalefany ho aigny Tarsosy izy.

1
09/31.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 31 \v 32 Ary avekeo, ny fiangonana nanerana an'i Jodia daôly, Galilia, ary Samaria nanagna fiadanana ary vôorina; ary, nande tamin-tatra ny Tompo sy tamin'ny fampiononan'ny Fanahy Masina, ka nitombo isa ny fiangonana. De tonga zany am'zao fotôna zao, raha nande nanerana ny faritra manontolo Petera, de nande nidigna taigny am'reo mpino ze nipetraka takao amin'ny tanànan'i Lydia iany kô izy.

1
09/33.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 33 \v 34 \v 35 Natazagna ôla antsovina hoe Aenasy takao izy, ze efa teo am-pandreny nandritry ny valo taona, satria nalemy izy. Petera nitare tamin'azy hoe: "Aenasy, magnasitrana an'nao Jesosy Kristy. Mitsangàna ary amboary ny fandrenao," ary niaraka tam'zany de nitsangana izy. Fa ze daôly nipetraka takao Lyda sy tao Sarona de nahita ny leila ka nitodika tamin'ny Tompo zareo.

1
09/36.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 36 \v 37 Ary nisy mpianatra raika antsovina hoe Tabita tao Jopa, ze adika hoe "Dorkasy." Nagnano asa soa betsaka io vevavy io ary nagnano fanampiana feno asa fiantraa ze nataony ho an'ny mahantra. Tam'reo andro reo de narary izy ary maty; rafa nanasa an'azy zareo, de napetrak'zareo takao amin'ny efitragny agnambo izy.

1
09/38.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 38 \v 39 Satria efa nanakaiky an'i Lyda i Jopa, ary naregny reo mpianatra fa tao Petera, de nandefa ôla roey taigny amin'azy zareo, nengavy an'azy: "Tongava re akaigny aminay tsisy hatak'andro." Nitsangana Petera ary nande niaraka tamin-jareo. Rafa tonga izy, de nitondra an'azy takao amin'ny efitra agnambo zareo, ary ny mpitondrategna daôly nitsangana takeo agnilany nitomagny, nampibôgna an'azy akanjo sy ny lamba ze nataon'i Dorkasy tamin'izy niaraka tamin-jareo.

1
09/40.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 40 \v 41 \v 42 \v 43 Nalefan'i Petera taigny avelan'ny efitra izy daôly, nandongalika, ary nivavaka; avekeo, nitodika tam'le razagna, nitare izy hoe: "Tabita, mitsangàna." De nanokatra ny masony izy avekeo, ary nahita an'i Petera izy de niarina. Avekeo de nanolo-tagnana an'azy Petera ary nampitsangana an'azy; ary rafa nagnantso an'reo mpino sy reo mpitondrategna izy, de nabôgnany tamin-jareo ny fahavelomany. Lasana fatratra nanerana an'i Jopa daôly zany ra zany, ary ôla betsaka no nino ny Tompo. Tam'zany Petera de nipetraka andro maromaro niaraka tam'le leila raika antsovina hoe Simona takao Jopa, ze mpandoko hoditra.