\v 1 Ny tegnako za Paoly, de mengavy an'nareo amin'ny fanetrentegna sy amin'ny hamoram-pagnan'i Kristy. Malemy fagna tokô za rafa akeo amin'ny fagnatrehanareo, nefa rafa tsy akeo za de sahy ny aminareo. \v 2 Mangataka aminareo za, rafa miaraka aminareo, tsy amin'ny fatokisan-tegna ny fasahiana. Nefa mieritreritra za fa mila sahy manoitra an'reo ze mihevitra fa ntsika de miaigna araka ny nofo.