plt-x-sihanaka_1ti_text_reg/06/03.txt

1 line
773 B
Plaintext

\v 3 Hevero fa ny ôla de mampianatra am'fomba hafa ary tsy magneky ny fagnatorontsika ara-pinoana, ze tenin'i Jesosy Kristy Tompontsika. Hevero fa zareo de tsy magneky ny fampenarana ze mitondra aigny am'toetra araka an'Andriamanitra. \v 4 Zany ôla zany de mirehareha ary tsy mahalala na ino na ino. Fa kosany, izy de adalan'reo adihevitra sy reo fandresen-datra momba an'reo teny. Iregny teny regny de miteraka felonana, fanevatevana, ahiahy ratsy, \v 5 ary ny fifandonana akeo am'reo ôla maloto fisainana. Miala am'marina izy reo. Mevitra izy fa ny toetra araka an'Andriamanitra no fomba ahatongavana ho mpanan-karena. (Fagnamarihana: Ny fandikana talô sasagny de magnampy hoe: "Miala am'ra salan'zany." Fa ny fandikana talô tsara indrindra de tsy magnampy an'zany.)