auto save

This commit is contained in:
MAD012 2020-06-02 17:17:41 +03:00 committed by root
parent bf9276bfb0
commit aa17490206
20 changed files with 0 additions and 20 deletions

View File

@ -1 +0,0 @@
Matokisa zao trny zao: Raha misy ôla raika magniry ny ho mpiandraikitra, de magniry asa tsara izy. Noho zany de ny mpiandraikitra de tsy maintsy tsy managn-tsigny. Tsy maintsy manambady vevavy tokana izy. Izy de tokony ahay handanjalanja, hendry, te filaminana, te mandray ôla. Tsy maintsy mahay mampianatra izy. Tsy tokony za-dratsy amin'ny divay izy, tsy mpila ady, fa kosa, malemy fanahy, feno fiadanam-po. Izy de tsy tokony ho te vola.

View File

@ -1 +0,0 @@
Tokony hitantana tsara ny tokantragnony izy, ary reo zanany de tokony hagneky an'azy am-pangajana tanteraka. Fa raha tsy mahay mitantana ny tokan-tragnony izy, ataony akôry ny hikarakarana ny fiangonan'Andriamanitra?

View File

@ -1 +0,0 @@
Tsy tokony ho ôla vô niova fo izy, mbô tsy hiendaendany ka ho lavo amin'ny fanamelohana salan'ny devoly. Izy iany kô de tsy maintsy tsara laza am'reo ôla aigny avelany, mbô tsy ho lavo agnaty fafam-baraka sy ny fandriky ny devoly.

View File

@ -1 +0,0 @@
Reo Diakona, ôtran'zany iany kô, de tokony ho mendrika. Zareo de tsy tokony hisotro divay betsaka lôtra na tsy mahalala onona ara-tsakafo. Tokony hitana ny fahamarinan'ny finoana nambara miaraka amin'ny feon'ny fieritreretana madio. Zareo iany kô de tokony ho sedraina melô, avekeo de tokony nagnompo satria tsy managn-tsigny zareo.

View File

@ -1 +0,0 @@
Reo vevavy iany kô de tokony ho mendrika salan'zany. Tsy tokony ho mpanendrikendrika zareo. Tokony hahay handanjalanja ary mahatoky amin'ny ra daôly. Reo Diakona de tokony hanambady tokana. Tsy maintsy mitantana tsara reo zagnany sy ny tokantragnony zareo. Fa reo ze nagnompo tsara de handray laza tsara sy fahatokisana lehibe amin'ny finoana ho an'ny tegnan-jareo ze akao amin'i Jesosy Kristy.

View File

@ -1 +0,0 @@
Manoratra reto ra reto aminao za, ary magnantegna ny ho avy tsy ho ela akaigny aminao za. Fa raha tara za, de manoratra mbô hafantaranareo ny fitondrantegna akao amin'ny tokantragnon'Andriamanitra, ze fiangonan'Andriamanitra velona, le vato fehizoro sy fitoeran'ny fahamarinana.

View File

@ -1 +0,0 @@
Tsy azo lavina fa ny fahamarinana notaravigna ze araka an'Andriamanitra de gedabe: "Izy de nibôgna tamin'ny nofo, nohamarinin'ny Fanahy, hitan'ny anjely, notaravigna takeo angnivon'reo firenena, ninoan'zao tontolo zao, ary nasandratra tamim-boninatra."

View File

@ -1 +0,0 @@
TOKO 3

View File

@ -1 +0,0 @@
Aza mibedibedy ny lahy antitra. Fa kosa, anaro ôtran'ny ray izy. Anaro ôtran'ny rahalà reo leila tanora. Anaro salan'ny reny reo vavy antitra, ary reo vevavy tanora ôtran'ny anabavy akao amin'ny fahadiovana daôly.

View File

@ -1 +0,0 @@
Magnajà an'reo mpitondrategna, reo tegna mpitondrategna. Fa raha manan-janaka na zafikely ny mpitondrategna raika, de avelao zareo alô hianatra hampiseho fagnajana akao amin'ny tokantragnony. Ôka zareo hamaly babena reo ray aman-dreniny, satria ankasitrahan'Andriamanitra zany.

View File

@ -1 +0,0 @@
Fa ny tegna mpitondrategna de navela ho rerika. Mametraka ny fitokoany amin'Andriamanitra izy. Mijagnona hatraigny am'reo fangatahana sy vavaka magnalin'andro. Na zany aza, ny vevavy ze miaigna ho an'ny fafinaretana de maty, na de mbôla velona aza izy.

View File

@ -1 +0,0 @@
Torio zany ra zany mbô tsy anagnan-jareo tsigny. Fa raha misy ôla tsy magnome ho an'reo havany ankeky, ndrindra ho an'reo ze akao amin'ny ankohonany, de nandà ny finoana izy ary tsy lavitra noho ny tsy mpino.

View File

@ -1 +0,0 @@
Ôka hosoratana ho mpitondrategna ny vevavy ze tsy latsaky ny enimpolo taona, vevavy raika ze vadin'ny leila raika. Tokony ho fantatra noho reo asa tsara izy, na nikarakara reo ankizy, na iany kô nampetragno an'reo mpivahiny, na nagnasa ny tongotr'reo mpino, na nagnamaivagna ny ory, na nagnolo-tegna tamin'ny asa tsara daôly.

View File

@ -1 +0,0 @@
Fa ho an'reo mpitondrategna mbôla tanora kosa, de aza maneky ny hagnoratra an-jareo akao agnaty lisitra. Fa rafa milavo-lefona amin'ny filan'ny nofo hagnohitra an'i Kristy zareo, de te-hagnambady. Am'zany zareo de ahazo fagnamelôhana satria namadika ny fagnoloran-tegnany vôlôny. Ka de lasa zatra kamo kô zareo. Mandende mitety tragno. Tsy hoe lasa kamo fôgnany zareo, fa lasa mpifosa sy mpila ady iany kô. Miteny ra ze tsy tokony ho tinenina zareo.

View File

@ -1 +0,0 @@
Noho zany de teko hagnambady reo vevavy mbôla tanora, hiteraka, hikarakara tokantragno, mbô tsy afahany magnome irika ny favalo hiampanga an'nay ho nagnano ratsy. Fa ny sasagny efa nivily sahady hagnaraka an'i Satana. Raha misy vevavy mino managna mpitondrategna, ôka izy hagnampy an-jareo, mbô tsy hagnavesatra ny fiangonana, mbô afahany magnampy reo tegna mpitondrategna marina.

View File

@ -1 +0,0 @@
Ôka reo lôholona ze magnapaka tsara mbô ho raisina ho mendri-boninatra avo roa heny, ndrindra reo ze miasa miaraka amin'ny teny sy amin'ny fampenarana. Fa ozy ny Soratra Masina hoe: "Tsy tokony hagnisy fehiny ny vavan'ny ny omby anao raha mbôla mively voa izy." ary kô: "Ny mpiasa de mendrika ny karamany."

View File

@ -1 +0,0 @@
Aza mandray fempangana magnohitra ny lôholona raika raha tsisy vavolombelona roey na telo. Ahitsio akeo agnatrehan'ny daôly reo mpagnota mbô hatatra ny ambiny hafa.

View File

@ -1 +0,0 @@
Mandidy an'nao mafy za akeo agnatrehan'Andriamanitra sy akeo agnatrehan'i Kristy Jesosyary reo anjely vôfidy, mbô hitazonanao an'reo didy reo tsisy fitsaratsarana ary mbô tsy hagnanôvanao na ino na ino amin'ny fiandaniana. Aza maimaika mametra-tagnana amin'iza n'iza. Aza mirao akao amin'ny fahotan'ny ôlon-kafa. Tokony hitàna ny tegnanao hadio anao.

View File

@ -1 +0,0 @@
Tokony tsy hisotro rano tsony anao. Fa kosa, tokony handray divay kely anao ho an'ny vavony sy reo aretinao mateti-pitranga. Ny fahotan'reo ôla sasagny de fantatra miharihary, ary zareo de mande alôhan'reo akao amin'ny fitsarana. Fa ny ota sasagny magnaraka avy aty afara. Ôtran'zany fôgna kô, misy asa tsara fantatra miharihary, saingy reo sasagny aza de tsy azo asitrika.

View File

@ -1 +0,0 @@
TOKO 5