plt-x-sihanaka_1co_text_reg/13/01.txt

1 line
713 B
Plaintext

\v 1 Na de atao hoe mitare amin'ny fitaren'reo olona sy reo anjely aza za. Fa ra tsy magnana fitiavana, de tônga vy maneno na kipantsona mikarantsam-peo za. \v 2 Na de atao aza hoe magnana fagnomezan'ny faminanina ary malala reo misitery sy falalana retraretra aza za, ary manana ny finôna daôly afahana mamindra reo tanety. Fa ra tsy manam-pitiavana;de tsinontsinona za. \v 3 Na de atao hoe manome ze retraretra ananako hamahanana ny mahantra aza za, ary magnolotra ny tegnako, de tsy mahazo na ino na ino za. [Fagnamarihana: Ny ULB sy ny UBD de samy manana dikan-teny betsaka, mivaky ôtran'zao hoe: "Ameko mba hodorana ny tegnako." Ny dikan-teny sasany kosa de mivaky hoe: "Ameko ny tegnako mba ho dorana."]