plt-x-sihanaka_1co_text_reg/13/01.txt

1 line
725 B
Plaintext

\v 1 Na de atao hoe mitare amin'ny fitenin'ireo ôla sy reo anjely aza za. Fa raha tsy managna fitiavana, de tonga vy magneno na kipantsona mikarantsam-peo za. \v 2 Na de atao aza hoe managna fagnomezan'ny faminagnina ary mahalala reo zava-miafina sy fahalalana daôly aza za, ary managna ny finoana daôly afahana mamindra reo tanety. Fa raha tsy manam-pitiavana; de tsisy dikany za. \v 3 Na de atao hoe magnome ze ra daôly anagnako hamahanana ny mahantra aza za, ary manolotra ny tegnako, de tsy mahazo na ino na ino za. [Fagnamarihana: Ny ULB sy ny UBD de samy managna dikan-teny betsaka, mivaky ôtran-zao hoe: "Ameko mba hodorana ny tegnako." Ny dikan-teny sasagny kosa de mivaky hoe: "Ameko ny tegnako mba ho dorana."]