plt-x-antaifasy_2pe_text_reg/02/12.txt

1 line
753 B
Plaintext

\v 12 Fa e biby tsy mana-saigny da natao hosamborigny sady potehigny. Tsy fantandreo izay tsiratsiraindreo. Ho potiky indreo. \v 13 Handray e valisoan'e raha ratsy nanindreo indreo. Mieritreritry indreo fa e tsy fiafiagny mandritry gn'andro da fahafinaretagny. Indreo da be pentipentigny izy ame tsigny. Mahafinaritry andreo e asa famitahandreo rehefa mihinagny miaraky aminareo. (Fagnamarihagny: E dikan-teny sasany da midika akoizao: "Mahafinaritry anazy e asandreo refa mihinagny miaraky aminareo ame sakafom-pifankatiavagny.") \v 14 Molam-biavy mijangajanga indreo; tsy afa-po ame fahotagny mihitsy indreo. Mitariky fagnahy tsy mety maty ho ame famboara-ratsy indreo, sady managny fo voaofagny ame fitsiriritagny indreo. Zanak'e fagnozognagny izany!