plt-x-antaifasy_1co_text_reg/07/12.txt

1 line
562 B
Plaintext

\v 12 Fa ho an'e sisa da mizaka io-iao, fa tsy e tompo- hoe râ misy ralà raiky managny vady tsy mpino, sady râ maharavo anazy e miara-mihinagny aminazy, da tsy tokony hisaraky amin'e vadiny izy. \v 13 Râ gne viavy raiky e managny vady tsy mpino, sady râ maharavo anazy gne miara-mihinagny aminazy, da tsy tokony hisaraky amin'e vadiny izy. \v 14 Satria gne lelà tsy mpino da natokagny nohonamin'e vadiny, sady gne viavy tsy mpino da natokagny nohon'e gnamin'e ralà. Fa râ tsy izany da ho maloto e zanakareo, nefa râ gne marigny da efa voatokagny indreo.