-x-antambahoaka_rev_text_reg/02/18.txt

1 line
1.8 KiB
Plaintext
Raw Blame History

This file contains ambiguous Unicode characters

This file contains Unicode characters that might be confused with other characters. If you think that this is intentional, you can safely ignore this warning. Use the Escape button to reveal them.

"Soraty ho anny anjeinny fengonana ao Tyatira hoe : Itôgny ny zakanny zanakAndriamanitra, zegny managna maso kara lelanafombanny tongotra kara varahigna mangiragna : "Fantako zegny vitanao : Ny fitiavanao mbanny finônanao sady ny faretanao. Fantako fa zegny vitanao farany de betsaka raha mitaha aminny vitanao voalohany. Kanefa zao no hanoherako anao : Leferinao ny viavy Zezebela, zay magnantso ny tegnany fa mpaminany viavy. Avy amnny fampenaranany de mamitaka ny mpanompoko izy mba hijangajanga sady hihinagna hanina atao sorona ho anny sampy. Nagnome fotôna mba hivalozana Aho, kanefa tsy mety hibebaka ny aminny fijangajangany izy. Igny a ! Hatako marary ambony fandrena eo izy, sady zegny mijanganjanga miaraka aminazy de hampahoreko mafy, na tsy mivalo aminny asa ratsinny viavy iary zareo. hivoniko ho faty ny zanagny, de ny fengonana maro aby de hahalala fa Izaho mahita ny fieritreretana mbanny fihetsem-po. Homeko magnaraka ny asanareo tsitokatokagna aby anareo. Fa ny aminareo zay tavela ao Tyatira, ny maro tsy mitagna ny fampenarana izao, sady tsy mahalala zegny agnantsovanny sanagny oe sain-dalini satana_ Izao ny raha zakaiko aminareo hoe : « Tsy vesarako entagna hafa anareo. » Ndre izany aza, tsy mentsy mitàna mafy ny finônareo anareo mandra-peveko. Ny raika zegny mandresy mbanny zegny magnano zegny efa vitako , farany de homeko anazy ny fahefana aminny firenena rehetra. Hanapaka aminiary zareo miaraka aminny tangala vy izy, kara ny fagnatorotoana vilagna tagny no hagnapotehany aniary zareo.Kara ny nandraisako avy aminny i Abako, no hagnomezako anazy kintagna mandraigna my koa. Zegny managna tadigny mba hiteno anny zegny zakainny Fagnahy ho anireo fengonana.""