\v 15 Namoaka rano kara tegnarano tamin’ny vavany ny menaragna igny, zay hifaoka ny viavy igny. \v 16 Fa ny tany nagnampy an’ny viavy igny. Nivohain’ny tany ny vavany de natelignany ny riaka navoakan’ny vavan’ny dragona igny.\v 17 De vignitra tamin’ny viavy igny ny dragona de nenga sady niaragna ady tamin’ny ambin’ny taranagny io, zay mankàto ny didin’Andriamanitra sady mitagna ny fijoroana vavolombelona momba an’i Kristy.\v 18 Aveo de nitsangana tambonin’ny fasikan’ny ranomasina ny dragona igny.