Nanagna rambo magnekitra kara hala io iary zareo; amin'ny rambon'iary zareo no misy ny hery handratra ny olona mandritra ny dimy volana. Nanagna mpanjaka iary zareo de ny anjelin'ny lavaka tsy hita popoka. N agnarany tamin'ny fizakana Hebreo de Abadona, de ny agnarany amin'ny fizakana grika de i Apoliona. Dila ny loza voalohany. Ka! afaran'izao de mbola hisy loza roy ho tonga. Nampagneno ny trompetrany ny anjely fahaenina, de naregny feo nivĂ´ka tamin'ny tandroky ny alitara volamena zay efa nisy teo agnatrehan'Andriamanitra aho.