auto save

This commit is contained in:
PLT-MADA007 2019-11-07 09:25:09 -05:00 committed by root
parent cae90c96b2
commit 225b95aef4
1 changed files with 1 additions and 0 deletions

1
12/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Famantarana agnona be no hita tan-danitra tagny : viavy nitafy ny masoandro, de ny volana tambaninny tongotrany, sady satro-boninahitra vitan aminny kintagna roy ambinny folo taminny lohany. Bevohoka izy, sady nihoaika mafy fe efa ho teraka, agnatinny magnifa-kibo. Aveo nisy famantarana hafa niseho tan-danitra sady nanipy aniary zareo taminny tany. Ny dragona nitsangana talohanny viavy efa ho teraka igny teo, ka ndreka teraka izy, de afaka hagnapaka ny zanagny izy. Niteraka zaza lilahy izy, zay hanapaka ny firenena maro miaraka aminny tangala vy. Ny zanagny de nalaina an-tery ho agny aminAndriamanitra mbanny aminny seza fiandrianany, de nilefa viavy igny nandeha aminny tsisy olona, sady efa nisy pilasy nomagninAndriamanitra ho anazy, ka de ho vôkarakara mandritranny 1260 andro izy. De nisy ady tan-danitra tagny. Mickaela mbanny anjeliny de niady taminny dragona ; de ny dragona mbanny anjeliny namaly ady. Fa tsy de natanjaka ny dragona ka resy. Ka de tsisy pilasy ho anazy mbanny anjeliny koa tan-danitra tagny. Ny dragona agnona be igny _zay menaragna taloha nantsovana hoe devoly na satana, ny namitaka anizao tontolo izao _ de natsipy tamboninny tany, de ny anjeliny de natsipy miarka taminazy. Aveo de naregny feo mafy tan-danitra ho : « Aminizao de tongan y famonjena, ny hery, ny fanjakanAndriamanitrantsena mbanny fahefanny Kristiny. Fa ny magnampanga ny rahalahintsena de natsipy tambany tagny, ny raika zegny magnampanga aniary zareo magnalignandro agnatrehanAndriamanitrantsena. Iary zareo de nandresy avy taminny rànny zanakondry mbanny teny fijoroaniary zareo vavolombelona, fa tsy nankamamy ny fiaignanany koa iary zareo ndre de ho faty aza. Avy ainizany, mifalea, anareo ry lanitra, mbanny zegny mipetraka aminAzy ao. Feno havignirana izy, azonny fantany manko fa bitaka ny hanagnany. Ndreka nahalala ny dragona fa nalavo taminny tany izy, de nagnanjaka ny viavy niteraka zaza lilahy izy. Fa ny viavy igny de nomena elatra roinny voromahery agnona be, ka de afaka nagnembogna nandeha aminny pilasy nikarakaraina ho anazy taminny tany tsisy olona tagny. Io ny pilasy hitsinjovana anazy, agnatinnytelo taona sy tapany_ mba tsy hitanny menaragna. Namoaka rano kara tegnarano taminny vavany ny menaragna igny, zay hifaoka ny viavy igny. Fa ny tany nagnampy anny viavy igny. Nivohainny tany ny vavany de natelignany ny riaka navoakanny vavanny dragona igny. De vignitra taminny viavy igny ny dragona de nenga sady niaragna ady taminny ambinny taranagny io, zay mankàto ny didinAndriamanitra sady mitagna ny fijoroana vavolombelona momba ani Kristy. Aveo de nitsangana tamboninny fasikanny ranomasina ny dragona.