\c 16 \v 1 Ndreka tapitra ny andro Sabata, de nivanga raha magnitra ahosotra amin'ny fatin'ny Jesôsy i Maria Magdalena miaraka amin'i Maria renin'i Jakoba, de Salome nivanga hagnitra mba hosorana amin'ny fatin'ny Jesôsy. \v 2 Vô mandraigna be tamin'ny fanombohan'ny herignandro, de nandeha tam-pasagna iary zareo ndreka niposaka ny masoandro.