-x-antambahoaka_mat_text_reg/13/36.txt

1 line
535 B
Plaintext

\v 36 Aveo Jesôsy niala an'iregny fokonolona ka niditra tan-dragno. Nandea tanin'Azy iregny mpianatrany de nizaka hoe: "Azavay aminay ny fagnoharana mikasika ny tsimparifarin'ny tanim-boly." \v 37 Namaly Jesôsy ka nizaka hoe: "Ny mamafy voa tsara de ny Zanak'Olona. \v 38 Ny tanim-boly de zao tontolo zao; ka ny voa tsara, iregny no zanaky ny fanjakana. Ny tsimparifary de iregny zanakin'ny ratsy, \v 39 ka ny fahavalo zay namafy an'azy de ny devoly. Ny fambilezana de ny fahataperan'zao tontolo zao, ka ny mpambely de iregny anjely.