\v 11 Niditra tandragno iary zareo de nahita ny zaza niaraka tamin'i Maria endriny. Niondrika sady nidera an'zy iary zareo. Ka namoha ny fasina harenany iary zareo ka nagnome fagnomezana volamena, dintin-kazo manitra amban'na miora ho an'azy.\v 12 Nampitandremin' Andriamanitra tamin'ny nofy iary zareo mba tsy hierigna agny amin'i Heroda, de lalan-kafa no nandehanan'iary zareo ndreka namonjy ny firenena nisy an'azy aby.