\v 8 Nomen’Andriamanitra anaha io fagnomezana io, ndre de izaho farany bitaka indrindra tamin’ny olo-masin’Andriamanitra. Io fagnomezana io de ny fomba hitoriako aminareo Jentilisa ny fizantsaran’ny harenan’i Kristy sarotra eragnina. \v 9 Ny fagnomezam-pahasoavan’Andriamanitra ho anaha de ny hitondrako fagnazavana amin’ny olona marobe ny fandaharan’Andriamanitra . Io fandaharana io de navonin’Andriamanitra, zay namorogna ny raha marobe, nandritra ny taogna maro taloha.