jdwood_plt_isa_text_ulb/61/10.txt

1 line
465 B
Plaintext

\v 10 Hifaly tanteraka amin'i Yaveh aho; ho ravo ao amin'ny Andriamanitro aho. Fa Izy no nampiankanjo ahy tamin'ireo fitafian'ny famonjena; nampiankanjo ahy tamin'ny akanjo lavan'ny fahamarinana Izy, toy ny mpampankatra mandravaka ny tenany amin'ny satroka, ary toy ny ampankarina mandravaka ny tenany amin'ireo firavany. \v 11 Fa tahaka ny tany mampitsimoka ny zava-maniry ao aminy, no hampanirian'i Yaveh fahamarinana sy fiderana eo anatrehan'ny firenena rehetra.