jdwood_plt_isa_text_ulb/61/08.txt

1 line
382 B
Plaintext

\v 8 Fa Izaho, Yaveh, dia tia fitsaràna, ary halako ny fandrobana sy ny herisetra tsy ara-drariny. Hamaly azy ireo am-pahamarinana Aho, ary hanao fanekena mandrakizay amin'izy ireo. \v 9 Ho fantatra eo amin'ireo firenena ny taranak'izy ireo, ary eo amin'ireo vahoaka ny zanak'izy ireo. Izay rehetra mahita azy ireo dia hanaiky azy ireo, fa izy ireo no vahoaka izay notahin'i Yaveh.