jdwood_plt_isa_text_ulb/36/11.txt

1 line
569 B
Plaintext

\v 11 Ary Eliakima zanaka lahin'i Hilkia, sy Sebna, ary Joa niteny tamin'ny lehibe manam-pahefana hoe: "Mitenena re amin'ireo mpanomponao amin'ny fiteny Syriana, Aramaika, mba hahazoanay izany. Aza miresaka aminay amin'ny fitenin'i Jiosy eo an-tsofin'ireo vahoaka izay ao amin'ny manda." \v 12 Fa hoy ny lehibe manam-pahefana: "Moa nandefa ahy mba hiteny ireo teny ireo ho any amin'ny tomponao sy ho any aminao ve ny tompoko? Tsy nandefa ahy ho any amin'ireo lehilahy izay mipetraka eo amin'ny manda izy, izay hihinana ny malotony sy hisotro ny amaniny miaraka aminao?"